Nohavaozina tanteraka ny sekoly ambaratonga fototra etsy Soanierana I, fari-piadidiam-pampianarana Antananarivo Renivohitra. Omaly no noraisina tamim-pomba ofisialy ny fotodrafitrasa taorian’ny volana maro nanatanterahana ny asa.
Tonga nitokana teny an-toerana ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina. Izy mivady rahateo niaraka tamin’ny mpiara-miombon’antoka maro samihafa no namatsy vola ny asa, niainga tamin’ny fanamboarana ny efitrano tsirairay avy, ny toerana fisakafoanan’ny mpianatra, ny lakozia hahandroana ny sakafo hatramin’ny fanavaozana ny jiro isaky ny efitrano sy ny fefy manodidina. Nisy ihany koa ny fanolorana dabilio miisa 800. Tanjona tamin’izao asa fanavaozana izao ny hanomezana risi-po ny mpianatra hahafahany manatanteraka ilay hafatra napetraky ny filoham-pirenena hoe : mianara tsara daholo. Tsiahivina fa tena ratsy ity EPP iray ity teo aloha. Mpamatsy vola maro no efa notetezin’ny talen-tsekoly raha araka ny fanazavany saingy tsy nisy nety nanampy azy ireo. Notokanana omaly ihany koa ny fanavaozana ny CEG eny Tsimbazaza izay sady novatsiana fitaovana toy ny solosaina, ny laboratoire de langue… ihany koa hahatonga ireo mpianatra Malagasy hitovy fari-pahaizana amin’ireo mpianatra any Eoropa, Azia….Narahin’ny fizarana “Kit scolaire” ho an’ny mpianatra rehetra ny hetsika, mbola fanomezana avy amin’ny filoham-pirenena mivady ihany koa. Nanantena hahita an-dRamatoa Voahangy Rajaonarimampianina moa ireo ankizy mpianatra izay efa nahalala mialoha izao fotoan-dehibe izao omaly saingy tsy tazana teny an-toerana izy. Antenain’ny maro kosa fa ho hita eny amin’ny Coliseum izy anio satria izy mivady no tompon-kevitra amin’ny hetsika.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.