Matahotra mafy ny ho takona i Hery Rajaonarimampianina mandritra ny fivoriana an-tampon’ny Frankofonia.
Vonjena daholo izatsy sy izaroa mba hisehoany amin’ny vahiny fa mahavita azy sy mahefa ny adidiny izy. Raha oharina amin’ireo filoha voafidim-bahoaka rehetra teo aloha anefa, dia izy no olona tsy naharesy lahatra ny mpamatsy vola indrindra ary tsy mahazo rirany mihitsy ka mahatonga ny fiainam-pirenena ho toy izao. Tsy misy rahateo ny fitadiavana vahaolana hafa ataony fa mitangirika vola lava avy any ivelany no mba hany vahaolana, hany ka izao nitotongana izao ny fiainam-pirenena. Ireo filoha teo aloha no mbola hatonin’ny vahiny sy hakany hevitra momba ny raharaham-pirenena eto Madagasikara noho ny tsy fahatokisana ny filoha am-perinasa. Tsy takona afenina rahateo ny hery politika ananan’izy ireo ka matahotra mafy ny ho lasa anjorom-bala i Hery Rajaonarimampianina, izay herim-pamoretana sisa ianteherana. Na dia manambara aza ireo olona akaiky sy mpanohana azy fa fanalahidin’ny fiverenan’i Madagasikara amin’ny sehatra iraisam-pirenena i Hery Rajaonarimampianina dia tsy izay no misy. Tsy maharesy lahatra ny vahiny sy ny mpamatsy vola ny tenany. Mitaky takalo izay vao mainka miteraka fatiantoka ho an’ny firenena, toy ny fanomezana vahana ny fitrandrahana harena ankibon’ny tany ataon’ny sinoa izao no tena hataony, izay efa manamarina ny fivarotana tanindrazana. Porofo iray mivaingana ihany koa ny tsy fahazoana mitambatra ilay 304,7 miliara dolara tafiditra amin’ny FEC avy amin’ny tahirim-bola iraisam-pirenena, izay mitsipotipotika ny fahazoana azy ary arahina fanaraha-maso hentitra noho ny tsy fisian’ny mangarahara eto.
Toky R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.