Politique

Hery Rajaonarimampianina Ampiesonin’ ireo manodidina azy


  • Alarobia 07 Martsa 2018

Tsy misy fivoarana intsony ny toe-draharaha eto amintsika raha ity fanjakana ity no antenaina. Raha manao jery todika amin’ny ezaka vitany ny filoham-pirenena, Hery Rajaonarimampianina, nandritra an’izay efa-taona nitondrany izay dia Izy ihany dia afaka mahita ireo lesoky ny fitantanany.

Misy elanelany be mihitsy eo amin’ny zava-bitany sy ny vinany nandritra ny kabariny tamin’ny nametrahana azy ho filoham-pirenena. Anisan’ny namarika azy rahateo ilay hoe “Ho foana ao anaty telo volana ny delestazy” nefa Antananarivo, izay renivohitra, miaina ao anatin’ny aizina sy tsy fahampian-drano. Maro tokoa ireo zavatra nampanantenaina sy nilokalokaina tamin’izany izay tsy nisy tanteraka avokoa. Nandeha ny fotoana ary niha niaina tao anatin’ny  fahantrana tanteraka ny vahoaka ka nametraka izany atao hoe”Gouvernement de combat” izany ny filoham-pirenena ary olona vonona hiasa fa tsy hikabary velively sy hampandroso ny firenena izay tena latsaka ankaterana. Mifanohitra tanteraka ny zava-misy satria ireo olona izay notsongaina tao anaty ny maro ireo dia samy manao izay danin-kibony sy izay saim-patany ary samy te ho lohany avokoa amin’izao fotoana izao. Porofo iray amin’izany ny fanambarana namoahan’ ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Henri Rabary-Njaka, ny datim-pifidianana, fihodinana voalohany sy faharoa. Andraikitry ity Minisitra ity tokoa ve no milaza datim-pifidianana kanefa mbola eo ny praiminisitra sady minisitry ny atitany, ny CENI ary ny filoham-pirenena ? Ny savorovoro eo amin’ny tontolon’ny fitsarana efa tsy resahana intsony.Midika izany ny fisian’ny tsy fanajàna rafitra misy azy ireo. Efa fantany ny ekipan’ ny filoha tokoa fa tsy afaka manova ny governemanta intsony ny filoham-pirenena satria lasa manaratsy ny endriky ny fitondrana HVM eo anatrehan’ny iraisam-pirenena izany ary  midika hoe misy tsy fitoniana . Hany ka toa mihevi-tena ho mafy be sy tsy azo soloina ny rehetra ka tena manao izay tiany. Hery Rajaonarimampianina ihany no fantatry ny olona , ary izy ihany no hiharan’ny rihitra any am-parany.


Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT