Politique

Hery Rajaonarimampianina 2 taona sy tapany nampiesonana


  • Alatsinainy 25 Jolay 2016

Tsy nisy nihevitra mihitsy ny hahalany ho filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara an-dRajaonarimampianina Hery taorian’ny fihodinana faharoan’ny fifidianana filoham-pirenena ny volana desambra 2013.

 

 Kandida tsy nampoizina tamin’ny ora farany rahateo ity filoham-panjakana Malagasy voalohany ao anatin’ny Repoblika faha-IV ity. Nanamarika ny fitantanan’ny filoham-pirenena Rajaonarimampianina Hery ireo tranga maro tsy nampoizina. Nisantatra izany ny kabary ofisialy voalohany nataony nalain-tahaka teo amin’ny kianjaben’i Mahamasina ny 25 janoary 2014. Roa taona sy tapany izao no nitantanany ny firenena fa toa tsy hita izay zava-bita hanatsarana ny sosialy sy ny toekarena, fampiesonana no betsaka.

Kabary ambony latabatra

Nampanantena ny fanafoanana ny delestazy sy ny fampianarana maimaim-poana eny anivon’ny sekoly fanabeazana fototra eto Madagasikara ny filoha Rajaonarimampianina. Nilokaloka ny tenany ny hamongotra ny fanondranana antsokosoko ireo karazana harem-pirenena toy ny andramena, ny volamena, ny sokatra sy ny maro hafa. Novolavolaina indray ny fandaharanasa nasionaly momba ny fampandrosoana na PND taona 2015-2019 mitentina 14,571 tapitrisa dolara. Torak’izany ihany koa ireo politika nasionaly marobe efa nankatoavina. Vahaolana aloha hatreto ny tetikasa 100 andro fa nijanona ho kabary ambony latabatra fotsiny izy ireny hatramin’izao.

Fandaniambola sy voninahitra

Voambolana tsy fantatry ny Fiadidiana ny Repoblikan’i Madagasikara sy ireo ekipa mpiara-miasa aminy hatreto ny fahantran’ny vahoaka Malagasy, araka ny valin-tenin’ny filoham-pirenena. Tsy kapoakan’ny fitondrana Rajaonarimampianina rahateo ny fitantanana mahomby takian’ireo mpamatsy vola mahazatra sy ireo firenena samihafa mpiara-miombon’antoka. Antony iray angamba mampitarazoka ny famatsiambola avy amin’ireto havantsika avy any andafin’ny riaka ireto. Tsapa sy hita taratra moa fa aleon’ny mpitondra mahefa mandany volabe amina miliara maro hitetezana izao tontolo izao miaraka amin’ny fandraisana ireo fivoriana sy fihaonana iraisampirenena hisitraham-boninahitra eto Madagasikara toy izay hanokana izany amin’ny fanatsarana ny sosialim-bahoaka miaraka amin’ny fampandrosoana ny fiarahamonina Malagasy.

Ramano F.

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT