Politique

Hery Rajaonarimampianina 2 taona nihevotrevotra fotsiny


  • Alatsinainy 25 Janoary 2016

Roa taona katroka anio 25 janoary no nanaovan’i Hery Rajaonarimampianina fianianana teny Mahamasina ary nandraisany tamin’ny fomba ofisialy ny andraikitry ny filohan’ny Repoblika, izy ihany koa no filoha faratampon’ny foloalindahy.

 

 Betsaka ny kabary natao, efa latsaka kelin’ny 20 ny fivoahan’ny filoha sy ireo mpiara-miasa aminy tany ivelany, narafitra ilay PND na fandaharanasan’ny governemanta fa hatreto aloha dia tsy misy ny asa mivaingana vitan’ny fitondrana HVM ka tena miantraika mivantana amin’ny fiainan’ny Malagasy. Toa nihevotrevotra eraky ny tanàna fotsiny ingahy filoha fa tsy hita izay tena napoaka. Rehefa tena nodinihana dia mbola sahirana nanamafy orina ny fahefany i Hery Rajaonarimampianina tao anatin’izay roa taona izay satria ny HVM dia tsy manana depiote amin’ny anarany na dia iray aza. Nisy ny fifandresen-dahatra tamina vondrona depiote mba hanohana ny fitondrana. Resabe moa ny momba azy ity satria mandeha be ny feo fa tena niasa ny vola amin’ny malety teny Tsimbazaza teny mba hanambazana depiote. Ankehitriny kosa dia mihevitra ny antokon’ny fitondrana fa efa manana maro an’isa izy amin’ny alalan’ny ben’ny tanàna sy ny loholona. Tena hamaha olana anefa ve izany ? Ny eto an-toerana tsy resy lahatra amin’izao fitondrana izao, ireo mpiara-miasa amintsika any ivelany tsy mahatoky azy, ka izany no mampihisatra ny fahatongavan’ny famatsiam-bola eto. An-kilan’izay, maro loatra ireo manampahefana voatonontonona anaty afera maizina ka tsy atao mahagaga raha miahiahy ny fitondrana HVM ny olona satria ireo lehibe noheverina ho olon-kendry indray no manondrana. Roa taona izay no dila, manana roa taona mahery kely sisa ingahy filoha hanaporofoany fa mahavita azy izy. Anisan’ny asa be mbola miandry ny fanohizana ny fampihavanam-pirenena ary ny fampierenan-doha ny toekarena Malagasy, izay tsy ho vita raha tsy mitombo ny olona manana asa no sady misy famatsiam-bola matevina. Mila ataon’ny fitondrana mazava tsara ihany koa ny paikady ampiasainy fa tsy resabe manonofy fotsiny. Ary farany, raha tena filoha miasa ho an’ny vahoaka sy miaro ny tombontsoa iombonana marina i Hery Rajaonarimampianina dia tokony ho sahy hamaky bantsilana ny tsy rariny sy ny fandikan-dalàna fanaovana tantely afa-drakotra ny harem-pirenena, ataon’ireo vondron’olom-bitsy izay fantany tsara ny momba azy ireo.


RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT