Raha tafaverina avy any Singapour mangingina ny alin’ny alakamisy 19 mey ny filoham-pirenena dia efa lasa nitsaitsaika nankany Istanbul renivohitr’i Torkia indray ny sabotsy teo.
Na dia ny prezidansa aza no nangataka ny handrosoana ny sabotsy ny lalao famaranana amin’ny taranja Rugby Coupe du Président, dia tsy nanatrika ny lalao teny Andohatapenaka ingahy prezida fa efa lasa tsy an-kiteniteny. Anton’izany ny fanatrehany ny fivoriana an-tampon’ny maha olona izay hotanterahana anio sy rahampitso any Istanbul. Ny firenena mikambana no mikarakara ity hetsika ity izay natao handinihana ny fijalian’ny olombelona eto ambonin’ny tany, hiresahana ny maha olona sy ny sosialim-bahoaka amin’ny ankapobeny. 6 000 no fantatra fa mpandray anjara ahitana filoham-pirenena, filoham-panjakana, minisitra, ben’ny tanàna, solombavambahoaka, solontenan’ny sehatra tsy miankina sy ireo ONG maro samihafa maneran-tany. Misy ihany koa ny solontenan’ny ankizy sy ny tanora handray anjara amin’ity fivoriambe any Istanbul ity. Ho an’i Madagasikara, ankoatra ny filoham-pirenena dia efa any an-toerana ihany koa ny minisitry ny raharaham-bahiny Atallah Béatrice, ny minisitry ny mponina Onitiana Realy, ny minisitry ny fitsarana Charles Andriamiseza miampy ny tompon’andraikitra avy ao amin’ny BNGRC sy ny Foudnation Telma ary ny Croix rouge Malagasy. Mbola misy delegasiona andiany manaraka hanampy azy ireo. Tsy mahagaga raha voaasa manokana amin’ity fihaonana ity Atoa Hery Rajaonarimampianina satria dia anisan’ireo olombelona tena mijaly indrindra maneran-tany ny Malagasy noho ny olana ara-politika, sosialy sy toekarena iainany efa ho 7 taona izao. Roa taona sy tapany tsy nahita vahaolana ny fitondrana HVM, miha mahantra ny Malagasy, manjaka ny jiolahy sy ny mafia, voahosihosy ny zon’olombelona, iharan’ny tsy rariny ny madinika. Koa dia ho hita eo indray izay hataon’ireto delegasionina mafonja lasa any Torkia ireto. Fa ankoatra izay, efa iaraha-mahalala fa nanokatra sidina mankaty Madagasikara ny kaompaniam-pitaterana ana habakabaka Tiorka Tukish Airlines. Inoana fa tsy maintsy hisy ny resadresaka manodidina izany any an-toerana amin’izao dian’ny filoha izao.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.