Voninahitra ho an’i Madagasikara ny nahalany azy ho filoha lefitra nitantana ny fihaonana lazaina ho mariky ny fahatokisana eo anivon’ny sehatra iraisampirenena tahaka ny fandraisana anjara mavitrika tamin’ireo fihaonana samihafa nitranga tao amin’ny foiben’ny fikambanan’ny
firenena manerantany notarihan’ny filoha Hery Rajaonarimampianina. Nitondra ny fahitany ny fitombon’ny mponina sy ny fanomezan-danja manokana ny tanora eo amin’ny lafiny fanabeazana, fahasalamana ary ny fanomezana asa tamin’ireo firenena namana afrikanina, ohatra, ny filoham-pirenena Malagasy. Nampahafantatra an’i Madagasikara toy ny hareny sy ny andraikitry ny mponina 24 tapitrisa manoloana ny fampandrosoana, antony mahasarika ireo mpampiasa vola ihany koa ny tenany. Hifampizaran’ny ny fitondrana HVM amin’ireo mpiara-miombon’antoka ara-bola sy ara-teknika ny fiabon’ny harinkarena ho 7% amin’ny taona 2020. Tsy noresahana teo amin’ny adihevitry ny Firenena mikambana kosa ny momba ireo Nosy Malagasy satria efa mandroso ny fifampidinihana amin’ny filoha frantsay Emmanuel Macron, hoy hatrany ny fampitam-baovao. Niresaka lohahevitra maro ihany koa ny filoha Hery Rajaonarimampianina nandritra ny fivahinianany tao amin’ny «Radio Onu Info». Hevi-dehibe nasongadiny tamin’izany ny hoe «nandroso i Madagasikara ary nisy ny dingana vita, indrindra teo amin’ny ady famongorana ny fahantrana izay tanjona fototra amin’ny fomba fijeriko». Nambaran’ny filoha Malagasy fa misy ny olana amin’ny fanomanana ny fifidianana amin’ny taona 2018 saingy tsy maintsy vonona amin’izany i Madagasikara. Nivoaka tamin’ny fifidianana nitokisana, nandraisan’ny besinimaro anjara ary nangarahara ny tenako ka hiaro izany aho amin’ireo fifidianana ho avy, hoy ny tenany. Io ny famintinan’ny ny fampitam-baovaon’ny Fiadidiana ny Repoblika ny dian’ny delegasionina Malagasy tamin’ny fivoriambe faha-72-n’ny Firenena mikambana tao New York. Tatitra toa mampandry adrisa sy fiarovantena fotsiny manoloana ny tena zava-misy iainan’ny fiarahamonina Malagasy.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.