Politique

Hery Politika Mitambatra Tokony hatsangana aloha ny CFM


  • Alarobia 11 Aprily 2012

Nanisy teny mikasika ny fandrafetana ny tetiandrom-pifidianana ny mpikambana ao amin’ny Hery Politika Mitambatra na ny HPM.

 Nanakiana marindrano ny fanambarana nataon’ny filohan’ny CENIT, Attalah Béatrice, izy ireo izay nambarany fa fanitsiana no atao amin’ny lisi-pifidianana fa tsy fanavaozana ifotony. Nanentana ireo mpikambana ao amin’ny CENIT kosa anefa ny HPM mba hampiantso ireo vondrona politika nanao sonia ny tondrozotra, mba handrafitra ny fanendrena ireo solontena telo isam-paritra mba hahafahana miroso amin’ny fametrahana ny rantsamangaikan’ny CENIT any amin’ny Faritra. Mikasika ny tetiandrom-pifidianana kosa, dia nanambara ny HPM fa tokony hisy ny fikaonan-dohan’ny vondrona rehetra ao ambany fitarihan’ny CENIT, ary faritana ny arofanina hisorohana ny fanamparana sy ny fanararaotam-pahefana. Ho an’ny HPM izany dia ny fifidianana filoham-pirenena no tokony hatao mialoha.

Nanakiana ny fihazakazahan’ny ministeran’ny atitany hanolo ireo lehiben’ny Faritra ihany koa izy ireo ary ambarany fa miendrika kajikajy politika mialoha ny fifidianana izany ary endriky ny fifandroritana eo anivon’ny mpikambana ao amin’ny governemanta. Nanisy teny mikasika ny famotsoran-keloka kosa ny HPM, ka nanambara fa famotsoran-keloka ho amin’ny fampihavanam-pirenena izay midika ho famelan-keloka no izy. Izany hoe tokony hajoro aloha ny Komitin’ny fampihavanam-pirenena Malagasy na CFM izay handinika ny fepetra rehetra hampiharana izany famotsoran-keloka izany vao miroso amin’ny fandaniana ny lalàna ny Parlemanta.

Patty

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT