Politique

Hery Politika Mitambatra Samy naneho ny tanjany


  • Alakamisy 08 Septambra 2011

Ifandroritan-kevitra ihany koa ao amin’ny HPM ankehitriny. Samy nanatanteraka valandresaka ho an’ny mpanao gazety ny HPM tarihan’Atoa Ndremanjary Jean André sy ny tariky ny profesora Ralison Roger omaly.

 Samy niezaka naneho ny maha izy azy ny vondrona roa tonta ary nilaza mihitsy, na ny ankilany na ny andaniny, fa manana ny taratasy ara-dalàna mikasika izany. Nanipika ary nanindry mafy ny tari-dRalison Roger fa izy ireo no HPM tan-dalàna, ary tsy afaka miteny na manao sonia na misolo tena ny HPM intsony ny minisitra Ndremanjary Jean André sy ny namany roalahy izay notsoahana niaraka taminy. Voalaza ihany koa fa mbola ireo rehetra nandrafitra ny HPM hatramin’izay izay mananika ny 40 isa no mbola miara-dalana amin’izy ireo ankehitriny, ary ahitana ireo mpandrindra isam-paritany rehetra.

Taoriana kelin’io fanambarana io dia nanao antso avo tamin’ireto namany ny minisitra Ndremanjary Jean André ny amin’ny hiverenan’izy ireo hitambatra indray, satria io no hanehoana ny hery hirosoana amin’ny lalina sy tsara kokoa. «Miverena ianareo fa tsy nety ny lalana nalehanareo», hoy ny antsony. Nanamafy izy fa tsy hery hanohitra ny tetezamita tsy akory no nitsanganan’ny HPM, fa hery hanome hevitra kosa. Nisy tambiny ihany anefa izany dia ny tokony hanatsoahan’ny tari-dRalison Roger sy ny namany ilay fanalana azy amin’ny maha mpikambana feno ao amin’ny HPM. Na izany aza, hentitra ara-pitenenana (na nasiaka dia nasiaka raha azo lazaina) ny lehilahy nilaza fa mba antoko moderna indray ny HPM manomboka izao, ary hanofana sy hanabe ireo mpikambana ao aminy amin’ny sehatra rehetra. Tsy nanaiky lembenana ihany koa izy satria nilaza fa hirotsaka hofidiana ka amin’izay fotoana izay no hifampitsara raha mahazo olona na tsia.

 

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT