Hanamarika ity andron’ny alakamisy 24 novambra 2011 ity ny fiverenan’ny filoha teo aloha, Didier Ratsiraka. Nisy ny resadresaka nifaovana tamin’i Herivelona Ramanantsoa minisitry ny fanajariana ny tany tamin’ny fitondran’ny amiraly, ary anisan’ireo sesitany politika 2002 niaraka taminy koa.
Tia Tanindrazana (T.T) : Hamafisinao ve ny fahatongavan’ny Amiraly Ratsiraka anio ity ?
Herivelona Ramanantsoa (H.R) : Izy tenany no efa nanambara mivantana izany, ary mbola hamafisinay fa ho avy anio alakamisy 24 novambra 2011 tokoa izy mivady sy ny fianakaviany. Amin’ny folo ora no voatondro hahatongavan’ny fiaramanidina amin’ny zotra iraisana avy any Parisy hitondra azy ireo.
T.T : Dia ahoana ny amin’ny trano handraisana azy, nefa io no toa anisan’ny sakana tsy mbola nahatongavany, izy anefa izany ity ho avy ?
H.R : Tsy nitana ny teniny ny fitondrana mikasika ny trano. Efa halohalika anefa ny ranom-bary, tsy mivaha ny krizy nefa efa miantraika amin’ny ativilanin’ny isan-tokantrano, ka mila miara-misikim-ponitra ny manana andraikitra rehetra hifarimbona hitady vahaolana amin’izany ary izay no ahatongavan’ny prezida Ratsiraka, hitondra vahaolana. Aleo rahateo atrehina tsy ampihambahambana ny famahana ny olana, fa tsy vahaolana ny miziriziry fa tsy mahasoa ny firenena sy ny Malagasy izany.
T.T : Io ilay fihaonana an-tampony ?
H.R : Mazava loatra ! Efa nambarany tamin’ny 04 novambra, andro nankalazana ny tsingerintaona nahaterahany ny tokony hanaovana io fihaonan’ireo filoham-panjakana efatra io. Tsy misy sakana tokony hanatanterahana azy satria ho avy izy, ny vola hoenti-manana azy rahateo efa vonona. Efa nilaza koa anefa izy fa manana vahaolana roa na telo azo aroso, ka aleo izy no hanambara azy. Fa ny zava-dehibe dia isika no miara-mitady ny vahaolana, manaraka fotsiny ny fianakaviam-be iraisam-pirenena fa mba hafahafa ihany ny zava-misy ankehitriny toy hoe hanangana governemanta avy dia miera amin’ny any ivelany. Aiza ny fiandrianam-pirenena manoloana izany ? Ny prezida Ratsiraka dia sarotiny amin’io fiandrianam-pirenena io, na inon-kidona na inon-kitranga, ary soatoavinay Arema io. Izay no nialana tamin’ny “Fari-bola Franc”, ny nialan’ny NASA teto, ny tsy nisian’ny tafika frantsay tany an-dakazerina tany.
T.T : Hanao ahoana izany no ho fisehon-javatra amin’io andro ahatongavany io ?
H.R : Sivy taona sy efa-bolana no tsy naha teto an-toerana ny amiraly Ratsiraka. Amin’izao fiverenany an-tanindrazana izao indray dia tena hihosina tanteraka amin’ny vahoaka izy. Hiseho izany vantany vao migadona eny amin’ny seranam-piaramanidina ny tenany. Tsy hisy ny sakantsakana fa dia hitakosona amin’ny vahoaka Malagasy izy, izay rahateo no efa faniriany. Hisy ny tafa hifanaovany amin’ny vahoaka Malagasy mialoha ny hiazoany an’ny Carlton toerana hivantanany rehefa avy mitety ireo faritra maro eto an-drenivohitra.
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.