Politique

Herisetra teny Ambohijatovo Hitory ny profesora Zafy Albert


  • Alakamisy 19 Janoary 2012

Miha mafana ny toe-draharaham-pirenena.

 Taorian'ny zava-nanjo azy teny Ambohijatovo noho ny nafitsoky ny mpitandro filaminana notarihin'ny jeneraly Ravalomanana Richard dia nilaza ny avy amin'ny ankolafy Zafy Albert fa hametraka fitoriana noho ny fikasana hamono ny filoham-pirenena teo aloha Zafy Albert nataon'ireo miaramila izay nahazo baiko. Raha ny zava-nisy teny Ambohijatovo afak'omaly mantsy dia ny profesora Zafy mihitsy no nokendrena, hoy ireo mpiara-dia aminy. Feno olona rahateo teo amin'ny manodidina azy. Ny profesora izay mbola teo am-piresahana tamin'ireo olona no avy hatrany nandefasana grenady lakrymôzena. Tsy hanaiky mora foana iny tranga iny izahay, hoy ireo avy amin'ny ankolafy Zafy omaly.

Tsy vao voalohany no sahin'ny mpitandro ny filaminana ny mitoraka grenady ity filoham-pirenena teo aloha ity. Tsaroana tsara ny zava-nisy teny Anosy tamin'ny taon-dasa. Jambena tsy nahita haleha mihitsy ny profesora Zafy raha niharan'ny grenady mandatsa-dranomaso teo Anosy akaikin'ny toerana fivarotana voninkazo manakaiky ny “arret bus” mankany Ampitatafika sy Fenoarivo tamin'izay fotoana izay. Tsikaritra ho sempotra ny tenany ary na teo aza ny fiezahana tsy niala dia vao mainka nirarakompana ny grenady niantefa tany aminy. Taorian'io dia tsy nirotsaka an-dalambe intsony ny profesora raha tsy iny afak'omaly teny Ambohijatovo iny indray. Nieritreritra angamba ny tenany ho efa niova ireo mpitandro ny filaminana kanefa tsy izay no zava-nisy.

Titan

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT