Politique

Herinaratra avy amin’ny herin’ny masoandro Vahaolana amin’ny fidangan’ny jiro


  • Sabotsy 17 Febroary 2018

Efa manomboka maro ny liana sy manjifa ireny plaque solaire na herinaratra avy amin’ny masoandro ireny eto Madagasikara ary tsy saro-tadiavina fa hita eny amin’ny tsena rehetra eny.

Raha mandalo amin’ireny lalam-pirenena ireny dia hita fa tsy vitsy intsony ny mampiasa azy. Mora vidy nefa mora ampiasaina tokoa izy satria 50 000 Ariary dia efa afaka mahazo 50W ary arakaraka ny tanjany ny vidiny. Raha ny 80W dia jifaina 1 000 000 Ariary amin’ny ankapobeny, fa miankina amin’ny firenena nanamboatra azy koa. Ny vita Aostraliana, ohatra, dia  lafo kokoa. Afaka miasa tsara mandritra ny folo taona ny plaque solaire ary misy ny antoka avy amin’ireo mpivarotra. Ireo kojakoja miaraka aminy tahaka ny convertisseur, regulateur ary ny batterie  dia herintaona ny  fiantohana omena (garantie). Tombony ny fitsitsiana amin’ny fampiasana azy satria raha manana tanjaka 80W ny plaque solaire iray dia afaka mampiasa fahitalavitra 1, takamoa 12 marika LED, solosaina 1 kanefa maharitra adiny 8 raha miasa tsy mitsahatra ny fitaovana. Aorian’izay dia afaka mifahana amin’ny hazavana fotsiny ny plaque. Mila fahaizana kosa anefa ny fametrahana azy ary tsara raha teknisianina efa mahafehy no mametaka antsoina. Iaraha-mahita ny fisondrotry ny faktioran’ny JIRAMA sy ny tolotra izay mahatonga fahasorenana ataony tahaka ny fahatapahan-jiro matetika ka tsara raha mitrandraka zavatra hafa miteraka angovo tahaka an’itony ny Malagasy.


Tsiry

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT