Politique

Herilanto Raveloharison Marefo ny andrim-panjakana eto Madagasikara


  • Alatsinainy 31 Jolay 2017

Tsy kisendrasendra akory ny safidy fototra fanamafisana ny fahafahan’ny vahoaka Malagasy miatrika ireo tandindona ara-tsosialy sy ekonomika na koa ny sehatry ny tontolo iainana miaraka amin’ny fiovan’ny toetrandro ao anatin’ny CPP (Cadre de Partenariat Pays),

  hoy ny solontenan’ny Banky iraisampirenena eto Madagasikara Coralie Gevers. Tanjona ny hampisitraka harinkarena maharitra ho an’ny daholobe avy amin’ny fanomezan-danja ny fotodrafitrasa, ny fikirakiram-bola ary ny fandraharahana mendrika ho an’ny orinasa madinika sy salantsalany. Mitaky ny fampiharan’ny fanjakana foibe ny fanapariaham-pitantanana eny anivon’ireo vondrom-paritra itsinjaram-pahefana miaraka amin’ny fitantanana mangarahara sy ny tamberina andraikitra anefa izany, hoy ity tompon’andraikitra avy amin’ny mpamatsy vola iraisampirenena ity. Lesoka hita moa hatreto ny fahalemen’ireo andrim-panjakana eto Madagasikara raha ny tombana navoakan’io paikady lasitra fiaraha-miombon’antoka eo amin’ny roa tonta io. Asa ilofosana voalohany kosa ny hampatanjaka ireto farany ahafahan’ny firenena Malagasy mifehy toekarena matanjaka, hoy ny minisitry ny toekarena sy ny teti-pivoarana Herilanto Raveloharison.

Ramano F.


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT