Toy ny sosoa voatapo-drano ny hafanam-pon’ireo mpomba ny FAT mitady hanao hazakazaka arahin-tosika mankany amin’ny fifidianana.
Andaniny, tsy nahavita nandrafitra tetiandrom-pifidianana sy namaritra izay fifidianana hatao mialoha ny vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana mandritra ny tetezamita na CENIT raha nandrasan’izy ireo hanambarana izany omaly. Tetsy ankilany dia nilatsaka ihany koa ny fanambarana nataon’Atoa isany Louis Michel sy Musikari Kombo, filoha miara-mitantana ny fivoriamben’ireo Parlemantera eo anivon’ny Vondrona Eoropeanina sy Afrika-Karaiba ary Pasifika, izay manatanteraka fivoriana any Horsens (Danemark) ny 28 ary hifarana anio 30 mey 2012, mikasika ny toe-draharaha politika eto Madagasikara. Hentitra i Louis Michel sy Musikari Kombo mampahatsiahy ao anatin’ny fanambaran’izy ireo fa misy zavatra maika tsy maintsy tanterahina eto Madagasikara ary zava-dehibe ao anatin’izany ny fanajana sy ny fanatanterahana antsakany sy andavany izay voarakitry ny tondrozotra sy ny handraisana maika ireo fepetra hampisy fitoniana eto.
Anisan’izany fepetra izany ny hampitsaharana miaraka amin’ny vava sy tsy misy hatak’andro ny famoretana atao amin’ny mpanohitra, ny famoahana ireo gadra politika rehetra tsy ankanavaka, ny famohana ireo radio sy fahitalavitra tsy miankina, tsy mpomba ny fitondrana. Tamin’ny fomba diplaomatika no nilazan’ireto filoha miara-mitantana ny fivoriamben’ireo Parlemantera eo anivon’ny vondrona eoropeanina sy Afrika-Karaiba ary Pasifika ireto ny tokony hamerenana ny fandrafetana ireo andrimpanjakan’ny tetezamita, mba tsy hilazana fa ravaina, hisian’ny tena fifandanjam-pahefana sy ny tena fiaraha-mitantana ; toy izany koa ny hanokafana ny governemanta amin’ny mpanohitra. Tafiditra anatin’ny fepetra hisian’ny fitoniana notsiahivin’izy ireo koa ny fiverenan’ireo sesitany politika rehetra an-tanindrazana ary tsy misy fepetra, ka anisan’izany ny filoha Marc Ravalomanana, ny hisian’ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety sy ny fahaleovantenan’ny fitsarana. Nanipika mazava ireto filoha mpiara-mitantana ny fivoriamben’ireo Parlemantera eo anivon’ny Vondrona Eoropeanina sy Afrika-Karaiba ary Pasifika ireto fa ny fahatanterahan’ireo fepetra ireo ihany no antoka hisian’ny fifidianana demokratika ankatoavin’ny fianakaviambe iraisam-pirenena. Notsiahivin’izy ireo koa fa manana andraikitra lehibe amin’ny fanatanterahana ny tondrozotra ny SADC ary adidin’ity farany ny mandray ny fepetra rehetra mifanaraka amin’izany, eny fa hatramin’ny fandraisana sazy aza raha misy sakana amin’ny fanatanterahana izany.
Nohenoin-teny ny Zanak’i Dada
Nampahatsiahy ny hanatanterahana ny fihaonan’ireo filohan’ny ankolafy efatra eto Antananarivo ihany koa ry Louis Michel hahafahana mamarana ny krizy ao anatin’ny diniky ny samy Malagasy. Nankininy amin’ny SADC kosa ny toromarika amin’ny fanatanterahana izany. Ireto farany izay tsy tafandrimandry, manoloana izao fijaliana loatra mianjady amin’ny Malagasy izao, ka mila faranana haingana izao krizy izao.
Raha zohina ny votoatin’ny fanambarana dia toa valin’ny antsoantso sy fitakian’ny ankolafy Ravalomanana sy ny mpanohitra amin’ny ankapobeny. Mazava fa dia tsy antso an’efitra ny an’ny Zanak’i Dada isan’andro eo an-kianjan’ny Magro fa dia nohenoin-teny izy ireo. Miatrika ity fihaonambe faha-23 iraisan’ireo Parlemantera eo anivon’ny Vondrona Eoropeanina sy Afrika-Karaiba ary Pasifika tanterahina any Danemark ity rahateo, ny filohan’ny Kongresin’ny tetezamita, Mamy Rakotoarivelo. Azo antoka fa nitatitra ny zava-mitranga marina aty Madagasikara, indrindra ny amin’ny dingana fanatanterahana ny tondrozotra izy, ary koa nitondra ny feon’ny mpanohitra. Izy rahateo dia lehiben’ny delegasionan’ny ankolafy Ravalomanana, tsiahivina ihany.
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.