Miantso ireo manan-trano sy mpanofa rehetra eo amin’ny « avenue de l’indépendance » hanavao ny lokon’ny tranony.
Miantso ireo tompon-trano sy mpanofa tsy an-kanavaka hanavao ny lokon’ny tranony ho fanatsarana ny tanàna, indrindra ny eny amin’ny manodidina ny Araben’ny Fahaleovantena na ny « avenue de l’indépendance », ny Ben’ny tanànan’Antananarivo Renivohitra, Naina Andriantsitohaina. Notsiahiviny fa misy ny lalàna mamaritra izany. Mino aho fa tsy hiandry fampitandremana avy aty amin’ny kaominina ianareo, hoy izy nandritra ny fananganan-tsaina isaky ny alatsinainy maraina. Mikasika ny fanadiovana sy fandaminana ny tanàna dia « tsy mihemotra ny kaominina amin’ny fampiharan-dalàna sy ny fanadiovana ny tanàna ». « Na maika aza isika, tsy mila mikoropaka. Mila miova ny toetsaina ary mila fotoana izany », hoy ity ben’ny tanàna ity, izay iray volana teo izay no nitondrany ny tanàna.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.