Politique

Hentitra ny Afo Sendikaly Ravao ny governemanta


  • Alarobia 11 Mey 2016

Araka ny anarana nisalorany dia manomboka mirehitra tokoa ny afo ho an’ny fitakiana sendikaly raha ny fanambarana teny amin’ny kianja mitafon’i Mahamasina omaly no raisina. x

 

Araka ny anarana nisalorany dia manomboka mirehitra tokoa ny afo ho an’ny fitakiana sendikaly raha ny fanambarana teny amin’ny kianja mitafon’i Mahamasina omaly no raisina. Manome fe-potoana 72 ora ny filoham-pirenena mba handrava ny governemanta Solonandrasana Mahafaly mantsy ny avy ao amin’ny afo sendikaly, izay tena nahitsy fitenenana nilaza fa misy ny mpitondra ambony manao kolikoly eto. Miantso ny fitondram-panjakana mba hikaroka vahaolana mba hamahana haingana ireo fitakiana maro samihafa ihany koa ny Afo Sendikaly. Efa tena be loatra ny fandikan-dalàna sy ny halatra ary ny kolikoly ataon’ny mpitondra fanjakana, ny vahoaka anefa miha sahirana isan’andro, hoy ireto sendikalista ireto ary tena hita mibaribary ny tsy fahaiza-mitantan’ny mpitondra. An-kilan’izay dia tsy miraharaha mihitsy ny fitakian’ireo sendika ny governemanta ka tsy misy ilana azy izany fa mila ravana, hoy ny feo re teny Mahamasina omaly. Hikatso avokoa ny fampandehanan-draharaham-panjakana raha toa ka miziriziry tsy mamaly ny fitakiana ny fitondram-panjakana, raha ny nambaran’Atoa Florentin Ramamonjisoa, mpandrindra nasionalin’ny F3M omaly, tsy sangisangy ny anay fa tena hotanterahana, hoy izy. Ho an-dRamatoa Saraha Georget Rabeharisoa kosa dia naverina indray omaly nandritra ity hetsiky ny Afo Sendikaly ity fa tokony hametra-pialana ny filoha Hery Rajaonarimampianina, tany tsy miady i Madagasikara kanefa anisan’ny tany mahantra indrindra maneran-tany, hoy ny filohan’ny PLD noho ny tsy fahaizan’ny mpitondra. Ireto farany izay toa variana mangoron-karena sy manao kolikoly. Nampatsiahivin’i Saraha Georget Rabeharisoa fa araka ny tombantombana nataon’ny banky iraisam-pirenena dia ampy tsara handoavana ny trosan’i Madagasikara ny vola azo avy amin’ny famarotana ny boaderozy, saingy olom-bitsy no mahazo tombontsoa mihoapampana amin’izany ankehitriny. Anisan’ny tazana teny Mahamasina nanatrika sy nanohana ity hetsiky ny Afo Sendikaly omaly ity ny mpanao politika tahaka ny senatera Lylison, Lalatiana Ravololomanana, Saraha Georget Rabeharisoa, ny pastera Edouard Tsarahame, Alain Andriamiseza, Alain Ramaroson, Harinaivo Rasamoelina ary ny Maitre Willy Razafinjatovo na Olala. Andrasan’ny rehetra izay mety hambaran’ny filoham-pirenena anio eny Iavoloha manoloana ity “ultimatum” avy amin’ny Afo Sendikaly ity.


RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT