Politique

Henry Rabary-Njaka “Efa mipetraka ny fototry ny fampandrosoana… ”


  • Sabotsy 17 Febroary 2018

Tafiditra ao anatin`ny fampandrosoana ny lafiny ara-toekarena, ara-tsosialy ary koa ny fiarovana ny tontolo iainana sy ny hifandraisany amin`ny diplomasia politika sy mitodika ara-toekarena, ny toeran`i Madagasikara eo amin`ny iraisam-pirenena. Fanontaniana manitikitika ny maro ireo ary nanasan`ny Gazety Tia Tanindrazana an`Atoa Rabary-Njaka Henry minisitry ny Raharaham-bahiny.

 


Tia Tanindrazana (T.T) : Inona no hifandraisan`ny fiarovana ny tontolo iainana amin`ny diplomasia ?

Henry Rabary-Njaka (H.RN) :  Ny tontolo iainana eto amintsika dia manana ny tena mampiavaka azy. 5% an`ny harena voajanahary (biodiversité) manerana izao tontolo izao dia eto Madagasikara no misy azy ary 80% ireo zava-maniry sy manan’aina dia eto Madagasikara ihany avokoa izany hoe endémique. Fa ny zavatra ngeza anatin`ilay vinan’ny filoham-pirenena izay efa noteneniny nandritra ny fianianany tamin`ny taona 2014 ary nohamafisiny tao anatin`ny Fisandratana 2030 fa ny fiarovana ny zavaboary no anisan`ny laharam-pahamehana. Ho antsika Malagasy eto an-toerana dia anisan`ny hotsinjovina manokana ny zanaka Malagasy satria ireny no hitondra ity Firenena ity indray andro any ary adidintsika amin`izay fotoana izay no mamela sy  miaro ny manodidina ny zavaboary milamina ho an`ny zanatsika. Izany no anton`ny fambolen-kazo. Amin`ity taona ity dia nosinganina manokana ny ankizy koa hitantsika amin`izao ny hetsika tamin`ny EPP eto an-toerana. Ampianarina sahady sy beazina ny ankizy hiaro izany fa tafiditra ao anatin`ny fampandrosoana ny lafiny ara-toekarena sy ara-tsosialy ny fiarovana ny tontolo iainana. Ny hifandraisan`izany amin`ny diplomasia dia tsotra ihany araka ny voalazako tamin`ny voalohany 5% an`ny biodiversite maneran-tany dia eto amintsika avokoa. I Madagasikara anefa dia firenena fahatelo maneran-tany tsy afa-bela amin`ny fiovan`ny toetr’andro. Miseho amin`ny endrika maro izy io, toy ny rivodoza matetika in-droa na in-telo isan-taona izay tena manahirana. Manampy an`izany koa ny tsy fahazaon`ireo olona sasany fa tsy azo atao ny mandoro tanety sy manapaka hazo satria manakorotana ny manondinina ary tena manimba ny tontolo iainana ny firenena. Ka izany no iarahana miasa amin`ireto naman`i Madagasikara ireto satria izy ireo ihany koa dia manentana amin`ny fiarovana ny haren-javabohary. Ary raha misy ny “équilibre” eto Madagasikara dia izao tontolo izao mihitsy no hisitraka an`izany. Isika eto Madagasikara no hiandrandra ny fiverenan`ny maha sompitry ny ranomasimbe Indiana antsika. Ka raha tafapetraka izany na ny politika nasionaly na lafiny iraisam-pirenena dia  mipetraka anisan`ny tena miady amin`izany manodidina izany. Hitantsika tamin`izany fa dia nandray anjara tamin`ny Conférence de Paris sur la planète, Cop 20, 21, 22,  nisy ny fihaonam-be fiarovan`ny toetrandro tany New York ny volana Septembra lasa teo ary famindrana ny “Alliance solaire” izay ho tanterahina any Inde ka Madagasikara  anisan`ny firenena namorona azy io. Izany rehetra rehetra izany dia mametraka ny toerana sy ny endrik`i Madagasikara amin`izao tontolo izao ary anjarantsika kosa no miaro izay mahafinaritra sy hanatsara azy isan`andro isan`andro.

TT : Mandroso ve ny diplaomasia mitodika amin`ny toekarena ?

H.RN: Efa hitantsika ireny fiaraha-miasa betsaka sy maro iarahana amin`ny firenena any ivelany. Asa efa natomboky ny filoham-pirenena tamin`izy vao lany ny famerenana ny fiaraha-miasa izay tsy vita vetivety. Tamin`ny volana jolay 2016 vao nivoaka ny Facilité d`elargissement de crédits ary izay vao nisy ny conférence des bailleurs ny volana desambra 2016 tany Paris. Ireny rehetra ireny no nitondra ny fifanampiana sy ilay fiaraha-miasa satria ngeza be amin`ny resaka “institutionnel” fa avo lavitra koa ny fiaraha-miasa mivantana amin`ireo tsy miankina avy any ivelany. Efa mipetraka sy mipoitra avokoa ny fototry ny fampandrosoana an`i Madagasikara ary izay no anisan`ny fitohizan`ny asa ataon`ny filoham-pirenena izay nambarany tamin`ny vahoaka Malagasy  tamin`ny alalan`ny fisandratana 2030 ho mariky ny fitohizan`ny asa efa natomboka  hatrizay.

TT : Resaka raharaha Houcine Arfa, ahoana ny fifandraisan`i Madagasikara sy Frantsa ?

H.RN: Efa niteny anie ny Frantsay fa ao anatin`ny “fichier” an`ireo olona “recherché” ary inona moa no hiresahana an`ireny olona atao hoe tsy misy dikany ireny. Aleo ny fitsarana na any Frantsa na eto Madagasikara hanao ny asany fa tsy maintsy hamaly amin`ny zavatra nataony amin`ny ratsy nataony ihany ireny olona ireny.

 


 

Marigny A.

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT