Politique

Henri Roger Ranaivoson ”Sandton ihany !”


  • Alatsinainy 29 Aogositra 2011

“Tsy miala amin’io Sandton io isika na inona na inona hitranga ary milaza i Dada fa lazao i Magro fa ho avy izy. Malahelo ny taniny izy ary ny fananany nopotehany. Tsy moramora izany”, hoy ny Chief of Staff tamin’ny andron’ny filoha Ravalomanana, Henri Roger Ranaivoson raha nihaona tamin’ireo mpiara-mitolona tetsy amin’ny Kianjan’i Magro Behoririka ny sabotsy lasa teo.

Sambany no nandray fitenenana tao i Henri Roger Ranaivoson, ary nanamarika ny hetsika tamin’io sabotsy io ny fahatongavany tao. Nambarany fa firenena roa eo anivon’ny SADC no tsy manaiky ny fodian-dRavalomanana eto an-toerana dia i Namibia sy Maorisy satria milaza ho tsy momba ny atsy na aroa. Manoloana ny diplomasia ataon’ny FAT dia ambaran’ity mpiara-miasa akaiky amin’Atoa Marc Ravalomanana ity fa mifanohitra amin’ny diplomasia ny fanaovana “ultimatum”. Mangata-drariny no hatao, hoy izy, ary tsy taratasy no alefa fa olona no alefa handresy lahatra.

Nambaran’i Henri Roger Ranaivoson ihany koa fa dia ho avy ny Troika. Tsy mitombina, hoy izy ny hoe fifidianana kaominaly sy rejionaly no hamahana krizy politika. Efa voaporofo izany tany Gambie. Ny tenierana ihany, hoy ihany izy no hampahomby ary hahazoana ny fankatoavana iraisam-pirenena. Raha ny fanazavana dia anisan’ny zavatra hojeren’ny fianakaviambe iraisam-pirenena akaiky ny momba ny demokrasia, ny fitondrana tsara tantana, ny mangarahara, ny resaka fitantanam-bola. Nohazavain’i Henri Roger Ranaivoson tamin’ireo mpitolona tetsy amin’ny Magro ihany koa ireo dingana rehetra atao amin’izao tolona izao.

Nangonin’i Soa
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT