«lreo miaraka amin-dRajoelina no milaza ankehitriny fa tokony hiala ity fitondrana ity», hoy ny mpikambana eo anivon’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita, Randrianjatovo Henri.
Anisan’ny tsikeran’ireo mpiara-dia amin-dRajoelina etsy amin’ny lapa maitso, araka ny nampitainy, ny tsy fifehezana ny fandriampahalemana, eo koa anefa ny fitsinjarana vola tsy araka ny tokony ho izy. Notanisain’izy ireo tamin’izany ny nomena ny tanora tany Antsiranana, ny Makis sy ny maro hafa. Nisy moa omaly ny solontenan’ny CST nihaona tamin’ny praiminisitra nidinika ny hampiantsoana fivoriana tsy ara-potoanan’ny Parlemanta noho ity resaka tsy fandriampahalemana ity. Ankoatra ny dahalo any anaty akata manko dia eo koa ireo dahalo ambony latabatra. «Efa hifarana io fitondrana miady an-trano io», hoy ihany Randrianjatovo Henri izay nanamafy fa tetezamita tsy misy an-dRajoelina na TSAR ihany no mety. Ankoatra izay dia nambarany fa tsy dahalo intsony no misy any atsimo io fa efa fikomiana.
Soa
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.