Politique

Henri Randrianjatovo “Mpivarotena ireo TIM namadika”


  • Alatsinainy 21 Novambra 2011

“Raha mahatsapa ianareo TIM nivadika sy namadika ireo fa mijaly ny vahoaka dia mametraha fialana”, hoy i Rostand Andriampilamanana, filohan’ny Filankevi-paritra Ihorombe.

 Fanamby moa no napetrany raha toa ka mahavita mitaona olona toy ny TIM miara-dia amin’i Marc Ravalomanana, mpanorina ity antoko ity ireo nisintaka ireo. Ho an’ny filoha lefitry ny Collectif des Parlementaires TIM, Henri Randrianjatovo moa dia tsotra ny resaka : “Efa nanolo-tanana, nanolo-tena izy ireo ka dia mpivarotena izany ireo mpikambana TIM nivadika ireo”. Karazana valin-kafatra tamin’ny fivoriana nataon’ireo senatera sy depiote TIM nivadika tetsy Tsimbazaza ny zoma teo moa no nataon’ity solombavambahoakan’i Faratsiho taloha sady filoha lefitry ny Collectif des Parlementaires ity. Fampitandremana moa no nataony manoloana ny fisandohana ataon’ireo TIM nisintaka ireo.

Nangonin’i Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT