Notsaroana omaly ny fahatelo taonan’ny Sabotsy Mena, ny 7 febroary 2009. Samy nanana ny nahatsiarovany izany na ireo mpomba ny FAT na ireo mpanohitra azy toy ny ankolafy Ravalomanana izay nifanao fotoana tetsy amin’ny kianjan’ny Magro toy ny isan’andro.
Betsaka ny resaka mandeha sy voizina amin’iny raharaha iny, ary isan’ny antony goavana hanakanan’ny FAT tsy hodian’i Marc Ravalomanana eto an-tanindrazana satria hoe nampamono olona. Raha ny zava-nisy marina nefa, hoy i Naika Eliane dia “i Andry Rajoelina no nanome baiko an’i Mona Roindefo hitondra ny vahoaka hiakatra eny Ambohitsorohitra haka ny lapa, araka ny kabary izay nataony teo amin’ny kianjan’ny 13 mey”. Tsy mitombina koa, hoy ity mpikambana eo anivon’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita ity ny hiheverana fa ny jeneraly Dolin Rasolosoa izay isan’ireo nitarika ireo vahoaka ho eny no tsy hahafantatra fa faritra mena ny lapam-panjakana. Ho an’i Naika Eliane dia tokony haverina ny fitsarana ny raharaha 7 febroary 2009 ary nilaza ny tenany fa «tsy hamela raha tsy mivoaka ny marina».
Miantso ny fianakaviambe iraisam-pirenena koa ny tenany mba handray andraikitra manoloana ny fanosihosena ny sori-dalana satria hatramin’izao dia mbola tsy mipetraka ny fitoniana. Takiany, araka izany ny hampiharana ny andininy faha-16 ka hatramin’ny faha-30 ao amin’ny sori-dalana fa tsy izay mampety ny FAT ihany. Takiany amin’ny fianakaviambe iraisam-pirenena ny hanajana ny fe-potoana hatramin’ny 29 febroary. Momba iny raharaha iny ihany dia nanambara ny solombavam-bahoakan’i Faratsiho teo aloha, Randrianjatovo Henri fa hivoaka tsy ho ela ny marina. Araka ny fanazavany dia efa fantatra ny anaran’ireo 11 lahy nitifitra teny, fa takiana ny hamoahana azy ireo ho fanta-bahoaka.
Avy any andrefana, misy ny Banky Foiben’i Madagasikara no nidiran’ireo, niaraka tamina fiara tsy mataho-dalana, araka ny fanazavany ihany. Raha izay no zohina dia toa manamarina ny tenin’i Monja Roindefo nilaza fa avy amin’ny toerana samihafa ny tifitra tamin’iny fotoana iny. Ankoatra izay dia namaly nivantana an’i Andry Rajoelina Randrianjatovo Henri ny amin’ny filazan’itsy voalohany fa tsy hamela ireo nandatsa-drà hitondra fanjakana. «Mampiomana izahay fa dia tsy havelanay hitondra fanjakana tokoa izay nandatsa-drà», hoy i Randrianjatovo Henri. Fanontaniana moa no napetrany ny amin’izay nandatsa-drà na teto Antananarivo, Mahajanga, Toliara tamin’ireny raharaha nafana vay 2009 ireny ka hatramin’izao. Vao tsy ela ohatra no namoy mpiara-mitolona aminy noho ny lakrimozena ny ankolafy Ravalomanana.
Soa
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.