Mbola nitohy hatramin’ny omaly ny famindram-pahefana teo anivon’ireo minisitera isan-tsokajiny taorian’ny fanovana ireo mpikambana vitsy eo anivon’ny governemanta.
Ho an’ny minisiteran’ny raharaham-bahiny manokana izay nanendrena ny mpanolotsain’ny filoha teo aloha Henri Rabary Njaka hitantana azy dia anisan’ny asa goavana sady maika hotanterahiny voalohany ny fijerena ny fifandraisan’i Madagasikara amin’ireo firenena maro. Toraka izany koa ny fanaraha-maso akaiky ireo teratany vahiny hiasa sy honina eto amintsika izay notsipihan’ity minisitra vaovao ity manokana fa tokony hitondra tombontsoa ho an’ny vahoaka Malagasy fa tsy tonga haka toerana eto fotsiny. Ho an-dRtoa Atallah Béatrice, minisitry ny raharaham-bahiny teo aloha kosa dia nambarany fa tsy afa-po tamin’ny asa vitany ny tenany, antony nametrapetrahany ireo asa marobe tokony hotanterahin’ny minisitra vaovao.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.