Politique

Henri Lecacheur “Tsy misy fitiavan-tanindrazana izany ato amin’ny CST”


  • Alarobia 07 Desambra 2011

Nandeha am-pilaminana ny fifidianana tato, hoy ny CST Henri Lecacheur ka nahafaly sy nahafinaritra.

 Aza hadinoina fa saika nisy zavatra tsy nety tato amin’ny CST tato raha tsy ny jeneraly Dolin no lany teo. Ny antony, hoy izy, dia betsaka ny fitaka ary mampalahelo fa ny namana no fitahana. Hita anefa, hoy izy, fa nandeha tamin’ny fon’ny olona tokoa iny fifidianana iny ka hisaorako ny rehetra nifidy ary nahatsapa tena fa nisy karazana fikafika tsy nazava tao. Izaho aloha, hoy ny CST Henri Lecacheur, raha mahita ny fandehan-javatra amin’izao fotoana izao dia tsy afeniko fa tsy mbola misy fitiavan-tanindrazana izany ato amin’ity CST ity. Ny vola no mahamay anay ato. Resaka fikafika sy fitiavan-tena no zavatra hita ato.

Porofon’izany, sahy ny sasany mirotsaka nilaza fa ny filoha Rajoelina no nanome “consigne de vote” fa Atoa Lahiniriko no hatao filohan’ny CST izay zavatra lainga ary manala-baraka tanteraka. Dia iny ny vokany, iny fifidianana teo iny. Misy olona sahy mamitaka ny filoha Rajoelina aminay ato. Izay no mahatonga ahy hiteny fa tsy mbola azo antoka ny hivoahana amin’ity krizy ity raha izay no toe-tsaina misy amin’izao fotoana izao.

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT