Politique

Henri Lecacheur Tsy maintsy mody i Marc Ravalomanana raha tiana ny hilamina


  • Zoma 27 Janoary 2012

Heveriko afa ampy izay, ampy fa tsy tokony hofitahana foana ny vahoaka, hoy Atoa Lecacheur.

 Mazava, hoy izy, ny fanazavan’ny Troika sy ny fanazavana nomen’ny Praiministra tafaverina avy any Afrika Atsimo teo : «Tsy maintsy mody eto Ravalomanana raha ohatra ka tiantsika ny hilamina» ary dia miroso amin’ny fanatanterahana izany tondrozotra izany izay zavatra izay. Ny hamaha ny olana eto amin’ity firenena ity no nidiranay PFM (Parti Fédéraliste de Madagascar) miaraka amin’ny Escopol ato anatin’ny fitondrana, hoy izy, fa tsy hodradradradraina fotsiny hoe mijaly ny vahoaka, potika ity firenena ity. Amiko ny tondrozotra dia sahala amin’ny fifanarahana.

Matoa izy nosoniavinao dia efa mazava ka tsy tokony havadibadika hoe ity mifanaraka aminay, ity tsy mifanaraka aminay. Ka somary mahagagagaga ahy ihany ny tenin’ny Praiminisitra Berziky hoe : mbola hodinihana ny amin’ny voalazan’ny andininy faha-20 milaza ny fiverenan-dRavalomanana tsy misy fepetra. Angaha mbola misy fepetra indray ? Efa tsy misy adihevitra intsony io ka tsy mila fandinihana izany intsony. Angaha, hoy ity mpanao politika ity, tsy nodinihana mialoha ny sonia ? Ka izany no nitenenako hoe : aoka isika tsy hamitaka vahoaka ary eto aho dia manao antso avo amin’ny fitondram-panjakana na avy amin’ny prezidansa io na avy amin’ny governemanta na avy amin’ny parlemanta roa tonta : Andao hiroso amin’ny fampihavanam-pirenena fa raha tsy izany io sahiko ny miteny fa tsy hisy izany fifidianana izany fa efa voasoratra fa tsy misy fifidianana raha tsy misy “amnistie” ary tokony hatao alohan’ny 29 febroary izany.

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT