Politique

Henri Lecacheur «Resaka rafitra no mampikorontan-dava antsika eto»


  • Alatsinainy 12 Martsa 2012

Efa tonga saina avokoa ny olona rehetra ankehitriny amin’ny tsy mahatafavoaka antsika amin’ity olana mianjady eto amin’ny firenena ity, hoy i Henri Lecacheur filohan’ny antoko PFM, fa ny resaka rafitra no tena olana.

 Matoa mikorontan-dava ity firenena Malagasy ity, hoy izy, dia noho io resaka rafitra io hatrany. Ny rafitra kapitalista nolovaina efa hatrany amin’ny fanjanahantany tany no tena fositra fa tsy resaka tsangan’olona velively. Fa na iza na iza vonona hampandroso marina an’i Madagasikara dia izay no ilaina. Tsy mahagaga raha mirona tanteraka indray amin’ny tokony hirosoantsika amin’ny rafitra federaly ireo Ampanjaka sy Sojabe isan-tsokajiny tao ho ao, hoy ity mpanao politika mpikambana ao amin’ny Filankevitra Ambonin’ny tetezamita ity, ary “io dia marihiko fa tsy resaka foko na fiaviana izany velively no voizina ao”.

Mikasika ny fanakianan’ny olona ny resaka karaman’ny CST sy CT ity hoe azo handoavana karamana mpampianatra FRAM miisa 90 ny an’ny iray monja aminay ireo dia sady marina no tsy marina koa izany. Marina raha raisina amin’ny mahaolona fosiny tsotra izao ilay izy, hoy i Lecacheur, fa tsy marina kosa raha ny tena zava-misy marina satria tsy maintsy mandray ireo tambin-kasasarana sy tombontsoa manokana rehetra ny CST sy CT raha mbola eto an-drenivohitr’i Madagasikara ny fivoriana no atao. Tsy hahazo an’ireo kosa anefa izy ireo, hoy izy, raha any amin’ny Faritra niaviany avy no misy ny rafitra rehetra mifandraika amin’itony mpanao lalàna itony.

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika sy jeopolitika
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mifaninana mafy eto i Lafrantsa sy Rosia

  • Delegasiona avy amin'ny SADC
  • Alarobia 13 Mey 2026

Nitsidika an'i Rinah sy Marie Michelle tany am-ponja

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry DieudonnĂ© Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT