Politique

Henri Lecacheur Misy mpanao barazy ao an-dapa ao


  • Alarobia 23 Novambra 2011

Raha nivahiny tao amina onjampeo tsy miankina iray teto an-drenivohitra omaly maraina Atoa Henri Lecacheur, filoha nasionalin’ny antoko PFM sady mpikambana ao amin’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita (CST) dia nilaza fa mety tsy mahazo ny vaovao tena marina rehetra ny filohan’ny FAT Andry Rajoelina ka misy akony amin’ny fanapahan-keviny izany.

 Notsorin’ity mpanao politika ity fa misy ireo olona sasany eny amin’ny lapan’Ambohitsorohitra sy Iavoloha eny no manao karazana sakana tsy hahafahan’ny olona hafa mihaona amin’Atoa Andry Rajoelina. Araka ny nambaran’Atoa Lecacheur moa dia mamorona izao resaka rehetra izao ireto olona mpanao barazy ao an-dapa ireto mba hilazana fa sahirana, hono, ny filohan’ny FAT ka tsy afaka mandray, ary antsoina eny ihany rehefa manana fotoana kely malalaka izy. Anisan’ny niharan’io fanakanana amin’ny fomba mihaja io aho, hoy ity mpikambana CST ity. Maro be anefa hoy ihany izy ny zavatra tiany hambara mivantana amin’ny filohan’ny FAT mba hahafahany mieritreritra sy mandinika tsara mialoha ny hanapahan-kevitra. Nampatsiahiviny kely moa fa niangavy azy mba hiara-hiasa aminy Atoa Andry Rajoelina ka izay no nanekeny hotendrena mikambana CST. Novakiany bantsilana ihany koa fa manomboka efa hita taratra eny Mahazoarivo io fomba hafahafa io, tahaka izao ny fanazavany : «nifampiresaka tamin’ny telefaonina izaho sy ny praiminisitra Omer Beriziky ny alatsinainy maraina lasa teo mialoha ny hamoahana ny anaran’ireo minisitra. Rehefa nifanazava teo dia nilaza tamiko ingahy praiminisitra hoe tongava ianao ety Mahazoarivo dia miresaka tsara isika mirahalahy. Gaga sy talanjona anefa ny tenako rehefa tonga teny Mahazoarivo raha nilazan’ny tompon’andrakitra fa hoe tsy afaka mandray ahy indray hono ny praiminisitra fa aleo amin’ny manaraka. Tsy olona adala anefa aho ka ho avy hitonatonana eny fotsiny raha tsy efa manana fotoana mazava aminy sy nantsoiny mivantana». Notsorin’i Henri Lecacheur mihitsy moa fa Atoa Manoro Régis, tale kabinetran’ny praiminisitra ary voatendry ho minisitry ny fanabeazana no nilaza taminy fa tsy afaka miditra ao an-dapa izy ary tsy afaka mihaona amin’ny praiminisitra. Tsy mampandroso ary tsy mamaha ny olan’ny firenena ny fomba fiasa hafahafa tahaka izany, hoy Atoa Henri Lecacheur ary efa tokony hovaina amin’izay raha hanova zavatra marina isika ka tsy hamerina intsony izay tsy nety teo aloha. Momba ny fananganana ny governemanta Beriziky indray dia tsotra ny nambarany hoe : «matoa misy ny minisitra voatendry kanefa tsy tonga teny Iavoloha dia tsy mbola mivaha ny olana, ary misy antony ihany koa matoa ny mpanohitra mampiaka-peo sy tsy manaiky io governemanta io … ».

Aminy dia tsy misy maharatsy ny fifampiresahana sy fifampidinihana mihitsy ary tokony hahavita tsara izany ny praiminisitra. Mametra-panontanina ihany koa moa ingahy Lecacheur hoe : nahoana moa no mbola tafaverina amin’ny toerany ihany ireo minisitra sasany teo aloha izay fantatra fa efa tsy nahavita tsara ny asany sy manana dosie maloto ? F’angaha tsy mba misy olon-kafa mahavita azy mihitsy eto amin’ity firenena ity no ny tonta ihany no avadibadika, hoy izy namarana ny fanazavany.
Nangonin’i RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT