Politique

Henri Lecacheur Miomana hanao ampamoaka


  • Alarobia 13 Martsa 2013


 Raha nilaza ny heviny momba ny fanadihadiana parlemantera ataon’izy ireo Atoa Henri Lecacheur, izy rahateo no mitarika ny komity misahana ny andramena. “Maro ny fandrahonana sy fikasana hamorona dosie ara-pitsarana mahazo anay indrindra izahay mpanadihady momba ny andramena. Ambaranay ho fanta-bahoaka tsy ho ela ireo olona ambony tompon’andraikitra amin’ny fanondranana an-tsokosoko ireo andramena ireo”, hoy izy. Izay no nahatonga ity mpikambana ao amin’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita ity nanambara fa ny mpanao politika mihitsy no tsy mampilamina ny ara-politika eto Madagasikara. “Kely finoana aho ny hisian’ny fifidianana amin’ity taona ity, efa roa taona izao tsy mety tanteraka araka ny tokony ho izy ny fampiharana ny tondrozotra, ka ahoana no hanatanterahana fifidianana amin’izany?”, hoy i Henri Lecacheur namarana ny fanazavany.

Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT