Politique

Hemerson Andrianetrazafy “Atsaharo ny fanandratana mpisoloky sy mpisalovana”


  • Alarobia 27 Mey 2020

Isan’ny matoam-baovao miteraka resabe hatramin’izao ity resaka lapan’i Manjakamiadana sy ny tontolony ity.

 

Isan’ny naneho ny heviny mikasika ny fivoaran’ny toe-draharaha tamin’ny gazety Tia tanindrazana ny mpahay tantara sady mpahay vakoka, Hemerson Andrianetrazafy.

Tia tanindrazana (TT): Andriamatoa Hemerson Andrianetrazafy, miteraka resabe hatramin'izao ity resaka momban'ny rovan'Antananarivo sy ny lapan'i Manjakamiadana ity. Farany teo moa izany dia ny mikasika ny mpikamban'ny komity siantifika, ny Pr Rafolo, izay nametra-pialana dia avy eo indray hoe tsia. Ny fahitanao azy?

Hemerson Andrianetrazafy (HA): Mitory ny tsy fitovian-kevitra fototra eo amin’ny fitondrana mpanapaka sy ny mpandalina mahalala io tranga io ! Ary ataoko fa mazava ny zotram-baovao sy fanambarana mivantana na ankolaka notsongoana tetsy sy teroa fa ny mpandalina dia tsy afaka niombon-kevitra tamin'io vina mifanohitra tanteraka aminy fenitry ny fikojakojana vakoka io. Fanapaha-kevitry ny fitondrana no nisisika tamin’ny fanantanterahana ! Tsy fitovian-kevitra maneho fahasamihafana maridrefy. Manoloana ny savorovoro sy ny tsangan'ampinga ataon'ny fiarahamonina dia tsy maintsy mamitrana ny mitriatra ny fahefana foibe ! Dia io izy io. Notazonina tamin’ny toerany ny Mpandalina ? Rariny loatra satria izy no mbola arofanina satria ny fitondrana mandalo fa ny firenena no mitoetra!

TT: Midika inona izany raha lazaina amin'ny fomba tsotra ny fijanonan'ity Profesora ity ao?

HA: Tsy mpaminany aho ary tsy mpaminavina ihany koa fa rehefa very fanahy ny ivo dia mety indrindra ny hijoroana arofanina ! Rehefa mijobo amin'ny aizina dia ilaina fona ny jiro ho fitsilo. Tsy azo fohazina intsony ny razana ka omeo hasina ny olobe!

 

 

TT: Tsy efa naman'ny very hasina ve izy ireo sy ireto vakoka malaza ankehitriny ho notsinotsiniavina ireto, raha ny hevitrao?

HA: Izao tranga rehetra izao dia efa mirafitra ho tantaran'io rova io. Ka ny fanasinana ataon'ny taranaka mifandimby sy ny fanamasinana, izany hoe fanomezana hasina toy nyfototra, antony, dika sy ny sisa io toerana io no ahazoany hasina indray. Ny hasina dia tsy avy any an-danitra fa avy amin’ny fiheverana miavaka omen'ny olona sy ny fiarahamonina ny singa iray. Saham-piheverana vokarin'ny kolontsaina io fa tsy voajanahary.

TT: Inona izany no fanarenana ireo heverina ho tsy nety natao tamin'ny rovan'Antananarivo sy ny lapan'i Manjakamiadana?

HA: Maro no azo atao fa ny ahy aloha dia hoe raha tena misy ny finiavana dia afindra eo amin’ny zaridainan'Ambohijatovo ilay tetikasa, vitaina ny fananganana mitovy any Mahandrisoa, Besakana, Tranovola sy ny sisa, atsangana araky ny maritrano novinain'i Rigaud sy Bouts ny lapa Masoandro dia miverina ho vakoka manan-tantara ny rovan'Antananarivo, vitaina an-tsakany sy an-davany ny famerenana ny simba dia hajariana ny fikoloana ny Rova. Atao ny famahoana ny vakoka malagasy rehetra amin'ny alalan'ny fanontana boky azon'ny rehetra jifaina, amin’ny alalàn'ny horonantsary mba afahan'ny malagasy rehetra mampiaty ao anatin'ny saham-pahatsapany ny asarobidin'ny vakoka. Mila mandrafitra politika ho an’ny kolontsaina matotra isika fa aoka izay ity "fahavendranana faobe voizina sy koloana ity" !

 TT: Lapa masoandro sa kianja masoandro?

HA: Lapa!

TT: Mba afaka manome santionany amin'ny tahirin-kevitra manambara izay ve ianao? HA: Maro be ny boky nosoratana mikasika ny rova. Ao ny boky nosoratan'i Ramatoa Razafy andriamihaingo, ny lahatsoratra nosoratan'i V Belrose H. tao amin’ny Omaly sy anio laharana 1 sy 2 sy ny sisa. Jereo ao amin’ny Google koa dia ho hitanao daholo!

 

 

TT: Mankasitraka tompoko! sao misy hafatra hamarananao azy?

HA: Raha tia hanavotra any Madagasikara isika dia omeo hasina ny olo-mendrika ! Atsaharo ny fanandratana mpisoloky sy mpisalovana !

Nangonin’i J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT