Voafidy omaly ny solontenan’ny Antenimieram-pirenena eo anivon’ny Filankevitra ambony momba ny fiarovana ny demokrasia sy ny Fanjakana tan-dalŕna (HCDDED).
Niisa fito ny kandida. 89 amin’ny 151 kosa ireo solombavambahoaka nandray anjara tamin’ny latsabato miafina, tamin’ny alalan’ny bileta tokana. Nahazo vato 44 ny « Contrôleur Général de la Police » misotro ronono Rabetafika Fulgence. Izy no nahazo vato be indrindra tamin’ireo kandida fito nifaninana, ary voafidy ho solontenan’ny Antenimieram-pirenena eo anivon’ny HCDDED. 40 ny vato azon’ny mpisolovava Rakotoson Haja.
Nahazo vato efatra ny « Administrateur Civil en Chef de Classe exceptionnelle honoraire » Masimana Manantsoa. Minisitry ny atitany tamin’ny tetezamita avy eo mpikambana teo anivon’ny CENI-T ity farany. Nahazo vato tokana ny kandida Razafindralahy Georges Nestor, « Inspecteur du Trésor ».
Samy tsy nahazo vato kosa ny kandida isany Ralaivoahangy Jaona Andriamapianina, mpampianatra tantara sy jeografia efa misotro ronono, Norosoa Jeanne Françoise Mariette, mpampianatra teny alemana efa misotro ronono ary Andrianjakatiana Hubert Yves, mpampianatra amina oniverite tsy miankina.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.