Nolavin’ny Fitsarana avo any Kenya ny voka-pifidianana filoham-pirenena natao tany an-toerana ny 8 aogositra 2017 teo, ka nahavoafidy indray ny filoha Uhuru Kenyatta (54,27 %).
Antony ny fahitany fa nisy hosoka ny latsa-bato sy teo amin’ny fandefasana voka-pifidianana. Tsy nanaiky ilay voka-pifidianana rahateo i Raila Odinga (44,74%) ka nitory. Nivoaka ny didy tsy azo nivalozana fa foana iny fifidianana iny ary didiana ny hanatanterahana fifidianana indray ato anatin’ny 60 andro. Sambany amin’ny tantaran’ny fifidianana taty Afrika no nisy fanapahan-kevi-pitsarana toy izao. “Manan-tantara iny fanapahan-kevitry ny Fitsarana avo iny ary Kenya vaovao izao no teraka”, hoy i Raila Odinga izay nilaza fa tsy matoky ny vaomiera misahana ny fifidianana intsony. Mba hanana fahasahiana sy hijoro toy ity nataon’ny Fitsarana avo tany Kenya ity ve ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana eto Madagasikara, izay rafitra mpamoaka voka-pifidianana filoham-pirenena, hoy ny maro. Tsy vitsy ny mpandinika politika sy ny olom-pirenena no manahy korontana eto amintsika amin’ny taona 2018, fotoana hanatanterahana ny fifidianana filoham-pirenena eto Madagasikara, taorian’ny fanapahan-kevitra noraisin’ny HCC nanoloana ireny fitsipaham-pitokisana ny filoha (motion de déchéance) sy ny governemanta (motion de censure) nataon’ny solombavambahoaka tamin’ny 2015 ireny. Ankoatra izay dia mpikarakara voalohany, indrindra fa amin’ny lafiny teknika ny Vaomiera Mahaleotena misahana ny fifidianana na ny CENI. 16 volana mialoha izany isika izao saingy tsikaritra fa mbola maro ireo lesoka mila harenina, raha tsy hilaza afa-tsy ny lalàna mikasika ny fifidianana sy ny lalàmpanorenana. Mbola baraingo aloha hatreto ny tena fahaleovantenan’ny CENI. Mila mijoro sy manana fanapahan-kevitra hentitra sy tsy mitanila io vaomiera io manoloana ny mety ho tsy ara-dalàna, toy ny resaka hala-bato na tranga hafa mety hitarika korontana. Tsy tokony hanaiky ny tsindry ara-politika isan-karazany ihany koa. Hatreto mantsy tsy mbola misy ny antoka mazava sy drafitra maty paika hisorohana ny korontana. Raha tsy milamina dieny izao ny pitsopitsony maro, dia hamantana krizy lalina indray isika. Mila finiavana eo amin’ny mpitondra fanjakana sy ny mpanao politika izany, ka hapetraka dieny izao ny fitsipi-dalao sy ny fifanarahana.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.