Politique

HCC sy CENI Mahita fa tony sy milamina ny firenena


  • Alarobia 29 Janoary 2020

Ny zavatra lazaintsika voalohany dia milamina ny firenentsika, hoy ny filohan’ny vaomieram-pirenena misahana ny fifidianana na CENI, Hery Rakotomanana,

 

 

 nandritry ny fotoana fampahafantarana ny tombana momba ireo fifidianana 3 natao teto amin’ny firenena tetsy amin’ny Colbert Antaninarenina omaly. Nandalo fotoan-tsarotra isika fa milamina. Ny firenena milamina ihany no afaka miandrandra fandrosoana. Tsy midika izany fa tsy mihaino izay atao hoe fanakianana natao hanatsarana isan-tokony ny CENI. Noraisinay ho lehibe tamin’ireny ny mikasika ny lisi-pifidianana. Zanaka Malagasy izahay ary vitanay an-tsakany sy an-davany ny fitantanana fifidianana madio, eken’ny rehetra ary hitondra filaminana. Ho an’ny filohan’ny HCC, Jean Eric Rakotoarisoa, kosa dia nizotra tsara tamin’ny ankapobeny ny fifidianana natao satria ny tena zava-dehibe dia ny fipetrahan’ny andrim-panjakana. Mipetraka eo anivon’ny kaominina izay tomponandraikitra tokony ho anivon’ny kaominina. Miaina eo anivona tontolo tony isika Malagasy. Mba eritreretinareo hoe raha vita fifidianana isika no miditra krizy indray dia hiaina izao zava-misy toy ny mitranga amin’ny toetr’andro izao. Fanamby natao tamin’ireny fifidianana ireny ny hisorohana izay, hoy izy, ary tokony ho raiki-tapisaka eto amin’izay ny hoe azo atao ny manao fifidianana milamina. Araka izany dia mahita ny HCC sy CENI fa tony sy milamina ny firenena na dia eo aza ireo voina, fitokonana sy fitakiana etsy sy eroa. Mahagaga!

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT