Mitohy ny fizarana seza ! Hiampy isa ireo mpikambana mandrafitra ny CES na ny Fitsarana manokana momba ny fifidianana.
Raha 9 izy teo aloha, dia ho 21 izany amin’ny endriny vaovao, izay hitovy amin’ny nandrafetana ny CENI-T satria dia voasolotena ao ireo vondrona folo nanao sonia ny tondrozotra, samy hanana solontena iray isanisany, miampy solontena telo avy amin’ireo mpampianatra lalàna eny amin’ny oniversite. Tazonina amin’ny toerany ireo mpitsara 8, nofidian’ireo mpitsara namany, izay efa mpikambana tao amin’ny CES. Ny filohany izay filohan’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana na HCC no nakisaka, satria andrimpanjakana mahaleotena voafaritry ny tondrozotra ny CES ka tsy tokony hampivadiana amina andrimpanjakana hafa. Raha napetraka fotsiny ho filohan’ny CES koa ny filohan’ny HCC, dia tsy maintsy mpitsara grady voalohany, fidian’ny mpikambana kosa no ho filohan’ny CES amin’ny endriny vaovao, ary dia tsy hiara-monina intsony izany ny HCC sy CES. Adihevitra be vao tonga tamin’io ny filankevitry ny governemanta omaly.
Re tamina loharanom-baovao akaiky ny governemanta mantsy fa tsy nanaiky ny hampidirana olona tendren’ny vondrona politika ny ankolafy Ravalomanana sy ny TGV ary ny ESCOPOL, niampy ny minisitry ny fitsarana, mba hiantohana ny tsy fitanilana ary koa mba tsy hisian’ny mizana tsindrian’ila mitaha amin’ireo kandida. Misy amin’ireo vondrona nanao sonia ny tondrozotra rahateo no tsy manana kandida amin’ny fifidianana filoham-pirenena akory. Fitsarana ny CES ka tsy tokony hidiran’ny politika, manginy fotsiny ny fandaniana hateraky ny tombontsoa tsy maintsy horaisin’izy 21 mpikambana ao aminy ireo. Izay anefa no tapaka ary hoentina amin’ny filankevitry ny minisitra anio. Hatao volavolan-dalàna ary hatolotra holaniana eny amin’ny Kongresin’ny tetezamita sy ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita moa izy ity fa tsy didy hitsivolana araka ny fitakian’ny GIC-M.
Na izany aza, ny azo antoka aloha raha izao fisehony izao dia tsy hiverina amin’izay fanapahana efa noraisiny teo aloha ny CES, midika io fa voatazona ireo kandida 41. Ny fampidirana solontenan’ireo vondrona mpanao sonia ny tondrozotra ho anisan’ny mpikambana ao amin’ny CES ihany koa dia tetika fotsiny ihany hampanekena ny rehetra izay voka-pifidianana ho avy eo, mba tsy hisian’ny resabe, na mampametra-panontaniana ihany aza hoe : ny fampitomboana ho 21 ny mpikambana ao amin’ny CES ve afaka miantoka fa azo itokisana marina ity fitsarana ity amin’izay fanapahana raisiny ?
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.