Feno sivy tanteraka ankehitriny ny isan’ireo mpikambana eo anivon’ny Fitsarana Avo momba ny lalàmpanorenana na ny HCC. Nanatanteraka ny fianianany tetsy amin’ny foiben’ny HCC Ambohidahy omaly Rtoa Rabetokotany Tahiana,
izay ao anatin’ireo mpikambana 3 notendren’ny filoham-pirenena ary misolo toerana an’i Yvonne Lala Herisoa Raharison izay nodimandry tamin’ny volana martsa 2017. Nilaza sy nanambara teo imason’ny rehetra izy fa vonona ny hanaja ny lalàmpanorenana sy ny lalàna manan-kery eto amin’ny tany sy ny firenena, hanaja ny tany tan-dàlana sy ny demokrasia ary koa hanaja sy tsy hamoaka ny tsiambaratelon’ny didim-pitsarana. Nitarika ny lanonana ny filohan’ny HCC Atoa Jean Eric Rakotoarisoa, izay nampatsiahy fa mahaleotena tanteraka amin’ny fanapahan-kevitra raisiny ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana. Nandray ny asany avy hatrany Rabetokotany Tahiana taorian’izay. Efa mpikambana teo anivon’ny filankevitra ambonin’ny mpitsara nanomboka ny taona 2014 ny tenany.
9 no isan’ireo mpikambana ao amin’ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) ka ny telo tendren’ny filohan’ny repoblika, ny 2 avy amin’ny antenimieram-pirenena, ny 2 avy amin’ny antenimierandoholona ary ny 2 farany avy amin’ny filankevitra ambonin’ny fitsarana. Ny HCC no manana ny fahefana faratampony hanaiky na handa ny lalàna iray, izy ihany koa no mitsara ny fifandirana misy eo fitondrana foibe sy ireo vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana no sady mamoaka ny voka-pifidianana ofisialy
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.