Politique

Hazakazaka ho eny Tsimbazaza Hanolotra kandidà tokana ny ARMADA


  • Alatsinainy 25 Febroary 2019

Rahampitso talata 26 febroary no hisokatra amin’ny fomba ofisialy ny hazakazaka ho eny Tsimbazaza. Manomboka amin’ny 9 ora maraina ny fandraisana ireo antontan-taratasy sy anto-bola ho an’ireo hirotsaka solombavambahoaka eny anivon’ny CED manerana ny nosy.

 

 Efa mipetrapetraka ny paikady ho an’ireo antoko na fikambanana politika.  Raha ny fantatra, miara-midinika ny ARMADA mba hanolorana kandidà tokana ho an’ny fifidianana depiote hotontosaina ny 27 mey ho avy izao. Ny ARMADA moa dia ahitana ny TGV, Mapar, MMM, Hiaraka Isika, Maitso, Avana. Ao anatin’ny fandaminana amin’ny fanolorana kandidà izy ireo, mijery izay tokony hatolotra hahafahana mandresy ireo hifanandrina aminy. Tanjona ny hahazo maro an’isa eo amin’ny antenimieram-pirenena. Raha ny loharanom-baovao, ny 80%-n’ireo anarana handrafitra ny lisitr’ireo kandidà ho solombavambahoaka avy amin’ny vondrona politika miaraka amin’ny filoham-pirenena dia endrika vaovao avokoa. Mety ho betsaka no ho tapaka lalandra, indrindra ireo depiote tsy mena-nivadika nandritra ny fotoam-piasana 2014-2019. Maro ihany ireo parlemantera teo aloha manao pi-maso tamin’ny filoham-pirenena, indrindra nandritra ny fivoriana tsy ara-potoana farany teo. Andrasana ny lisitr’ireo kandidà ho depiote avy amin’ny vondrona politika  miaraka amin’ny filoham-pirenena Andry Rajoelina.

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

  • Kristianina
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

mandinika raharaham-pirenena

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

Hijery ny tohiny
FTT