Voatery nitondra fanazavana ny filohan’ny Fitsarana Avo momba ny lalŕmpanorenana Rakotoarisoa Jean Eric manoloana ny resaka miely fa misy mihaona aminy ireo kandida ho
Mpanolotsaina avo ny lalàmpanorenana eo anivon’ny Antenimierandoholona. Namoaka fanambarana an-tsoratra tao amin’ny tranonkalan’ny Fitsarana Avo momba ny lalàmpanorenana Rakotoarisoa Jean Eric omaly, milaza mazava fa tsy mandray kandida amin’ny toeran’ny « Haut Conseiller Constitutionnel » eo anivon’ny Antenimierandoholona izany ny tenany. Nanipika mazava Rakotoarisoa Jean Eric fa ny Fitsarana Avo momba ny lalàmpanorenana dia tsy misalovana velively amin’ny tandrifinandraikitry ny Antenimierandoholona.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.