Politique

Hasimpirenena sy Leva Tsy depiote intsony, mavesatra ny fiampangana…


  • Talata 11 Febroary 2020

Nilatsaka ny didin’ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana momba ireo depiote 2 izay voatazona am-ponja dia i Hasimpirenena Rasolomampionona

 

voafidy tany Fandriana sy ny Depiote Raveloson Ludovic Adrien dit Leva voafidy tany Mahabo. Nisy mantsy ny taratasy nalefan’ny filohan’ny Antenimieram-pirenena tany amin’ny HCC noho ny fahabangan-toerana. Efa talohan’ny naha voafidy azy no tany am-ponja izy ireo. Voaisotra tsy ho depiote noho ny tsy fanatrehana fivoriana ara-potoana, izay naman’ny fametraham-pialana. Naman’ny manala tena rehefa tsy manatrika ny fivoriana ara-potoana 60 andro tsy misy fanazavana mazava sy fialan-tsiny eken’ny fitsipika anatiny (aretina hamarinin’ny mpitsabo, nandeha nanao iraka ara-dalàna, trangam-pianakaviana), araka ny andininy faha-11 andalana faha-3 amin’ny fitsipika anatin’ny antenimiera. Ny lisitra faharoa no miakatra. Rtoa Yvonne Razafindrazalia vadiny izay lisitra faharoa tamin’ny fifidianana no misolo ny depiote Leva. I Taratriniaina Dina Rakotomalala, izay lisitra faharoan’ny IRD tany Fandriana no misolo an’Atoa Hasimpirenena. Tsy mbola nisy ny didim-pitsarana nanameloka an’Atoa Rasolomampionona Hasimpirenena, izay voarohirohy amina famarotana tanim-panjakana, toy ny Villa Elisabeth. Ny Depiote Leva, izay nomen’ny mpitsara fahafahana vonjimaika tamin’ny herinandro lasa amin’izao karohina.

DOSIE MAVESATRA

Tsy mbola misy ny didim-pitsarana manameloka an’Atoa Hasimpirenena Rasolomampionona, saingy henjana ny vesatra momba ny famarotana tanim-panjakana mahasaringotra azy, toy ny raharaha Villa Elisabeth.  Efa voaheloka higadra 5 taona noho ny fanondranana hazo sarobidy voamboana kosa i Leva, ary mbola misy dosie hafa 7 hanenjehana azy. Voarohirohy ho namono an’i Tsihitambazafy François sy Razafimahefa Romuald Thierry tany Ankilizato ny 21 oktobra 2016 ; dosie fahatelo ny famonoana an’i Heliarison Célin tao Mahabo ny desambra 2016 ; fahefatra ny famonoana an’i Nanteaiko Arsène Harison Farbrice ny 21 febroary 2017 tao Analamitsivalana Mahabo ; fahadimy ny fitorian’ny Alliance Voahary Gasy momba ny famotehana ny valanjavaboary Antimena Menabe ; fahenina ny fitoriana nataon-dRamatoa Yasmine Claude Murielle ny 21 jona 2018 izay efa nanaovana famotorana azy ny 4 jona 2019 ; faha-7 ny fandrahonana natao ny Firaisamonim-pirenena Five Morondava nataon’ny ekipany ny 22 desambra 2020. Karohina moa ny tenany amin’izao fotoana izao, taorian’ny fahafahana vonjimaika nomena azy ny herinandro teo, ka tsy nahitana popoka azy. Sokajiana toy ny gadra nandositra i Leva amin’izao.

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT