Ho an’ny antoko DHD (Dina maHa-olona sy Demokrasia) tarihan’Atoa Hary Naivo Rasamoelina dia tsy tokony hiherikerika handany andro amin’ny fifampidinihana etsy sy eroa intsony ny fitondrana tetezamita fa miroso amin’izay amin’ny tena asa dia ny fanatanterahana fifidianana amin’ity taona ity ihany.
Araka ny nambarany dia tokony hatao tranga manokana hoe ataovy amin’ny volana desamba farafahatarany ny fifidianana depiote fa efa tena reraka (K.O) ny vahoaka. Zava-dehibe loatra io satria izay voafidy eo no hanao ny lalàna amin’ny Repoblika faha-4 ary izay maro an’isa no hanolotra ny praiminisitra. Tany tan-dalàna i Madagasikara ka izay tokony hilatsaka hofidiana dia mahazo milatsaka daholo, araka ny lalàna. Fa tokony hialana kosa anefa, hoy ny DHD, ilay tantara hatrizay : ny filoha iray soloina dia ao anaty gidragidra foana. Ny tsara indrindra amin-dry zareo dia tokony hahatsapa tena ireo nanora-tena ho filoha, na ireo napetraky ny vahoaka, na ireo napetraky ny tantara, ka hiteny hoe : “izahay tsy hilatsaka intsony”, ka ho tantara vaovao no hitranga.
Mba manome fanilon’ny Repoblika faha-4 ireo taloha rehetra fa zavatra tsy mbola nisy teto amin’ny firenentsika izany. Olom-baovao mihitsy ivelan’ireo mpitarika 4 voatonona lava, araka izany, no tian’ny DHD handray ny fanilo. Efa tokony hitady sehatra sy fomba vaovao handrindrana ny asa hitantanana ny dia any amin’ny fiainana vaovao isika, hoy Atoa Hary Naivo Rasamoelina, satria ny zava-misy dia rafitra sy fiovana no nantenaina nefa toa ny taloha ihany miverina ka lasa ny halako bika tsy tiako tarehy no tranga miseho ankehitriny. Raha ny marina, hoy ihany ny DHD, io olana eto amintsika io dia olana an’ny firenen-dehibe efa hatramin’ny ela amin’ny fizaram-paritra noho ny harena ankibon’ny tany amin’ny firenena nozanahiny. Ka izy ireo no mijery olona hobaikoana ka tafiditra amin’izany io sori-dalana io.
RTT sy Manohy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.