Nindrana ny tenin’ny mpitari-tolona malaza Martin Luther King hoe «I have a dream» na adika amin’ny teny malalaka « nofiko, hono » ny mpikambana ao amin’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita, Harinaivo Rasamoelina teny Anosimanjaka omaly.
Anisan’ny nanotrona ny fetin’ny Alahamady, taom-baovao malagasy notarihan’ny fikambanana Zana-dRanavalona izy, niaraka tamin’ireo an-kolafin’olona tsy dia mitovy hevitra loatra eto amin’ny firenena. Tao ry Ravnelina sy Tabera avy amin’ny ankolafy Zafy Albert, ny Me Hanitra sy Me Benja, ankolafy Ravalomanana, Rtoa Ramisandrazana, ankolafy Didier Ratsiraka. Manana nofinofy roa aho, hoy izy, ny voalohany dia ny hoe : mba ho lasa fetim-pirenena Malagasy tanteraka ny Alahamady. Ny faharoa dia hoe : mba ho lasa arofanina ny fikambanana tahaka izao an’ny Zana-dRanavalona izao mba ahazoana mahalala ny tantaran-drazana. Havana ianareo matoa izahay tonga eto Anosimanjaka, hoy i Harinaivo Rasamoelina.
Mba tsy ho fahazarana fotsiny no hankalazana isan-taona itony hetsika itony, hoy izy. Iaraha-mahalala fa noho ny olana misy dia mitady filaminana ny fahatoniana ara-tsaina ny fiarahamonina. Samy nandray fitenenana tsirairay avokoa ireo solontenan’ny Ankolafy 3 (Marc Ravalomanana, Didier Ratsiraka ary Zafy Albert). Tsy afaka hisolo vaika ny akalana izahay ka hoe hanao fanelanelanana eo amin’ireo antoko politika, hoy ny filohan’ny fikambanana Zana-dRanavalona, Ravelonarivo Alain Eddie, fa mitondra ny anjara biriky kosa amin’ny tokony hifankatiavan’ny samy Malagasy, fifanatrehana amin’ny fo tsotra. Tsy ataotao foana fa naseho nivantana teto, tamin’ny alalan’ny fifandraisan-tanana sy fifanorohana, fa afaka mifamela ny Malagasy. Ka mbola hisy fotoana hampiantsoana indray ireto ankolafy ireto amin’ny fotoana mahamety izany. Ny hafatra ho an’ny olon-drehetra, hoy izy, dia hoe vitan’ny ady gasy ny famahana ny krizy misy eto amintsika.
Manohy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.