Politique

Harinaivo Rasamoelina « Hatsangano ny governemanta iraisana ! »


  • Alakamisy 16 Martsa 2017

Ny zava-misy amin’izao fotoana izao, ny tetika manontolo ataon’ny fitondrana na ny ivelan’ny fitondrana dia diso daholo, hoy ny antoko DHD Madagascar,

 tamin’ny alalan’ny filohany, Harinaivo Rasamoelina, afak’omaly. Tsy izao ataon’ny CENI izao no hahatongavana amin’ny fifidianana tena izy satria na dia maty paika aza ny foto-kevitra sy ny laza olana ary didy aman-dalàna momba ny fifidianana, kanefa ny  solontenam-panjakana no maro an’isa amin’ny fitantana dia tsy hahomby. Ny fitsipi-dalao mihitsy no tokony hovaina ary tsy maintsy fanjakana sy governemanta hifanarahan’ireo hery rehetra manontolo hiara-kiatrika fifidianana no tokony hitantana ny firenena sy handrindra ny fifidianana, raha ny hevitr’i Harinaivo Rasamoelina. Ny antoko politika, ny fiarahamonim-pirenena, ny mpifidy no tokony hiara-misahana io fifidianana io ary tokony hazava tanjona. Tsy ho vita anefa izany raha tsy misy ny fifanarahana atao eto amin’ny firenena. Na inona na inona hatao eto ka tsy mazava ny fitsipi-dalao manontolo, ary hifaneken’ny rehetra ny lalan-kizorana na ny lafiny lalàna na ny fomba hanatanterahana azy, dia tsy hisy zava-banona ary tsy mitondra mankany amin’ny tombontsoan’ny Malagasy manontolo. Korontana no mety hiseho eto amin’ny firenena raha tsy milamina sy hifanarahana ny zava-drehetra, saingy iniana tsy resahina. Hanaiky mora ve ny mpitondra eto amin’ny firenena, izay efa manana ny kajikajiny sy politika malotony amin’izao herintaona tsy hanaovana ny fifidianana izao ?

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fialan’ny Minisitry
  • Alarobia 04 Novambra 2026

ny MNDPT

  • Alain Mahavimbina
  • Alarobia 04 Novambra 2026

«Firenena manana politika

  • Governemanta
  • Alarobia 04 Novambra 2026

Niala ny Minisitry ny

  • Fakan-kevitra
  • Alarobia 04 Novambra 2026

momba ny fifidianana Havoaka ofisialy

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

Hijery ny tohiny
FTT