Politique

Harilala Ramanantsoa “Tsy tokony hatao mibahana ny firehana politika”


  • Sabotsy 10 Martsa 2018

Vehivavy eo amin`ny tontolo politika, ny fiainam-pirenena ary ny toeran`ny vehivavy eo anin`ny fandraharahana. Fanontaniana manitikitika ny maro ireo ka izany indrindra no nanasan`ny Gazety Tia Tanindrazana an`i Harilala Ramanantsoa, vehivavy mpandraharaha raha misy zavatra azony ambara mikasika izany:

Tia Tanindrazana (T.T) : Mila miditra amin`ny tontolo politika tokoa ve ny vehivavy ?

Harilala Ramanantsoa( H.R): Heveriko fa ny zava dehibe dia mandray andraikitra sy mitondra ny anjara biriky ary zavatra tokony hihoarana dia mitondra fampandrosoana amin`izay  sehatra misy ny tsirairay aloha. Mibahana be ny lokon`ny antoko politika eto amintsika satria misy sakana ny hoe mpanohitra amin`ny fitondrana kanefa mety hoe manampahaizana iny olona iny ary mety mahavita zavatra. Latsaka lalina loatra i Madagasikara ary mila fitambaran`ny hery rehetra ka tsy mila fijerevana izay antoko izay fa fahaiza-manao no asandratra, indrindra ho an`ny tanora satria ireo atao hoe ``goaika antitra`` dia efa vita ny androny fa amin`izao fotoana izao dia mila mandray andraikitra sy mila miray hina amin`ny fampandrosoana an`i Madagasikara.

 

T.T : Ahoana ny fahitanao ny fiainam-pirenena ?

H.R : Misarika ny sain`ny maro ny fifidianana izay atao amin`ny faran`ny taona ary tsy hita be ihany hoe mazava ve ny lalan-kombana. Ny azoko lazaina dia manentana ny olom-pirenena andeha hifidy ary raha tsy mora ny safidy dia tokony hifidy satria izany no zo voalohany. Ao anatin`ny fifidianana eto Madagasikara dia ny mpandresy no tsy mifidy ka ny maro an`isa foana no tsy mifidy. Midika izany fa ilay olona voafidy ho avy dia tsy tena hankasitrahan`ny maro an`isa ary tsy afaka manome tsiny raha tsy afaka mandray andraikitra.

 

T.T : Mbola manana ny toerany ve ny vehivavy amin`ny fandraharahana ?

H.R : Maro ireo vehivavy mandraharaha ary raha ohatra ka jerena amin`ny ankapobeny eto Madagasikara dia ny asa tanana no manavanana azy ireo manerana ny faritra 22. Ka raha izany no trandrahina dia ilaina ny ``renforcement de capacite``, ilaina ny fanohanana, mampafantatra ny lamaody farany ohatra, ny fahaizana mampiasa ireo akora maro samihafa mba hitovy daholo ny zavatra vokariny. Mila finiavana politika amin`ny fitondram-panjakana ny fanohanana an`ireo vehivavy ireo eny anivon`ireo faritra ireo, indrindra amin`ireo faritra mitoka-monina satria eto an-drenivohitra mbola mahazo vaovao, mahafantatra zavatra fa ireo vehivavy maro an`isa any ambanivohitra iza no hanohana azy ireny nefa tena mandray andraikitra ao anatin`ny toekarena mihitsy ? Misolotena ny 50%-n’ny mponina eto Madagasikara anefa izy ireny.

 

T.T : Inona no asan`ny CNFM ?

H.R : Ny CNFM na ``conseil national des femmes de Madagascar`` dia mampitambatra ireo fikambanam-behivavy manerana ny nosy. Ny anjara asany dia manambatra ireo izay mety hilain`ny vehivavy eo amin`ny lafiny lalàna, fandraharahana na eo amin`ny fiarovan`ny zom-behivavy. Firaisankina sy fananana tanjona iraisana no tena fototry ny fampandrosoana satria raha tsy mitambatra daholo ny hery rehetra dia tsy mba ho tena hanana ny anjara toerany ny vehivavy eto amin`ny firenena.


Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT