Fanamafisana izay voalazan’ny CENI ny nambaran’ny Tribonaly misahana ny ady amin’ny fanjakana, hoy ny depiote Hanitra Razafiamantsoa manoloana ny fandavana ny fitoriana nataon’ny kandida Rina Randriamasinoro.
Tsy mitovy hevitra amin’ny tribonaly tamin’ny didy navoaka izahay, hoy izy. Na misy aza ny mbola fampiakarana mbola azo atao any amin’ny Filan-kevi-panjakana, dia tsy manakana ny mbola fikatsahana ny fahamarinana, raha ny nambarany. Ny azo antoka ary ampahafantarinay, dia tsy ato amin’ity tribonaly ity ny fahamarinana. Fantatray ny zava-nisy nandritra ny alina hatramin’ny omaly, afak’omaly, ny alina tontolo,… fitsarana tsy mahaleo tena, mpitsara tsy mahaleo tena, ary tsy vonona hitady ny fahamarinana, hoy ny depiote Hanitra Razafimanantsoa. Ho hitantsika eo ny tohiny fa tsy fanapahan-kevitra olona iray io fa maro. Manaiyra ny olona rehetra liana amin’ny fahamarinana tsy ny teny amin’ny fitsarana ihany fa ny eto amin’ny firenena izy. Efa noteneninay ny hoe sery vitan’ananamaloha io, kanefa io ny zava-misy ka hitady vatotr’akoho hovonoina angamba izany izahay amin’izao fotoana izao, dia samy mahita eto isika rehetra, fa samy tompon’andraikitra amin’ny zavatra hataony, hoy izy. Ny mpisolovava aleo hanao ny ataony amin’ny mety ho tohiny, fa aleo ny vahoaka mitaky ny fahamarinana hanao ny ataony ihany koa, hoy io depiote io. Raha halalinina io, dia mety tsy hijanona intsony amin’ny resa-pifidianana fotsiny ny hetsika sy tolona ataon’izy ireo fa hiitatra amin’ny zavatra hafa.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.