Politique

Hanitra Razafimanantsoa Fanosihosena lalàmpanorenana io “Governora” io


  • Zoma 27 Septambra 2019

Marina fa te hanao zavatra ny filoham-pirenena amin’izao fotoana izao, kanefa ny zavatra atao rehetra dia tokony hanaraka ny lalàmpanorenana sy ny lalàna velona, hoy ny mpahay lalàna sady

 

 

 

solombavambahoaka Hanitra Razafimanantsoa manoloana ny fanovana ny lehiben’ny Faritra ho Governora, izay nisy avy hatrany ny fanendrena olona miisa 11 ny alarobia lasa teo. Amin’ny maha mpikirakira lalàna ny tenako, tsy mifanaraka amin’ny lalàmpanorenana ireny fanendrena governora ireny. Tsy misy mihitsy anarana « Governora » ao anatin’ny lalàmpanorenana sy ny lalàna velona misy fa zavatra vao noforonina io, hoy izy. Rehefa mametraka rafitra vaovao, indrindra fametrahana mpitantana goavana be ohatr’ireny, dia tsy maintsy misy fanovana lalàmpanorenana satria ny lehiben’ny faritany sy lehiben’ny faritra ihany no voalaza ao anatin’ny lalàna, raha ny nambarany. Mampieritreritra hoe tsy ilaina intsony ve ny lalàmpanorenana fa vita fotsiny ohatr’izao izy io. Tsy ara-dalàna ny fanendrena tany aloha, ka tokony hiatrika fifidianana lehiben’ny faritra, izay fifidianana tahaka ny fifidianana solombavambahoaka, ary nohamafisiny fa ny fanovana anarana dia tsy maintsy ao anaty lalàmpanorenana. Ny andininy faha-154 ao anatin’ny lalàmpanorenana moa no manamafy izany. Diso ihany ny adihevitra izay hapetraka satria mazava be ny voalazan’ny lalàmpanorenana fa ny andraikitry ny mpanatanteraka any amin’ny faritra iantsorohan’ny lehiben’ny faritra, izay io no nofaritana hoe “governora”, ary ny lalàmpanorenana tsy namaritra mihitsy “appellation” na fiantsoana fa Lehiben’ny faritra izany “non générique”, ka nametraka ny fitondrana hoe: “Governora” ny lehiben’ny faritra, ary tsy misy mifanohitra amin’ny lalàmpanorenana mihitsy izany na kely aza, hoy ny minisitry ny serasera Lalatiana Rakotondrazafy. Ho toy izany ve ny firesaka sy ny nambarany raha toa ka Rajaonarimampianina na Ravalomanana no manao tahaka izao ?

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT