Politique

Hanamafy seza ny HVM Miketrika hanova lalàmpanorenana


  • Alatsinainy 11 Septambra 2017

Resaka mandeha tato ho ato indray ny fikononkononan’ny fitondrana HVM hanova sy hanitsy ny lalàmpanorenana.

Herivelona sy vondrona politika ary mpanao politika maro no mitaky ny hisian’ny fanovana. Fanovana hifanarahana sy mifanaraka amin’ny filan’ny firenena anefa no tokony hapetraka fa tsy fanovana mifono politika sy kajikajy maloto mizotra mankany amin’ny fanomezana tombondahiny ny HVM, toy izay efa natao tamin’ny andron’ny tetezamita. Re mantsy fa kononkononina ny hahafahana manome tombondahiny ny filoha ankehitriny sy ny fanjakana hipetraka maharitra amin’ny toerana, ary mety hiafara amin’ny fanemorana ny fifidianana hatao amin’ny taona 2018 izany. Takian’ny mpanao politika maro ny hisian’ny mangarahara sy fifanarahana mazava raha tonga any amin’izany fanovana izany tokoa ny Malagasy, fa tsy sanatria hokononkononina any ambadimbadika any fotsiny izany, ka iny no hatolotra holanian’ny vahoaka. Tokony tsy hisy zava-miafina ary ho hentitra ny fanaraha-maso amin’ny fandrafetana lalàmpanorenena vaovao, ary tokony hanana dika mitovy avokoa ny herivelona sy mpanao politika. Fahita eto mantsy ny hoe hafa no niaraha-nanapaka, saingy lalàna hafa mihitsy no mivoaka avy any avy eo. Efa nisehoan’izany ny lalàna mifehy ny serasera sy ny fifandraisana, izay lasa adihevitra be ankehitriny. Hafa no nolaniana sy niaraha-nanaiky tamin’ny PNUD, saingy niova teny an-dalana avy eo. Raha ny soso-kevitry ny mpanao politika sasany aza moa, dia tokony ho lalàmpanorenana maromaro azo hisafidianana no hatolotra hisafidianan’ny vahoaka, toy ny hoe : Federalisma, fanjakana tokana, fanjakana miankina betsaka amin’ny parlemanta.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT