Politique

Hambom-po politikan’ny HVM Hilalaovana ny fiainam-bahoaka…


  • Alarobia 06 Desambra 2017

Tsy misy zavatra mandeha amin’ny laoniny intsony eto amin’ny firenena fa variana manao kajy politika sy miady an-trano ny HVM ka dia io iaraha-mahita io ny zava-misy.

  Ny asan-jiolahy sy asan-dahalo mandeha foana, ny vidin-tsolika miakatra, ny vidim-bary midangana, ny vidin’entana amin’ny ankapobeny miakatra andro aman’alina. Miandry vahoaka hivazavaza sy tezitra vao mody mihetsika sy mandray andraikitra. Raha ny vidim-bary, efa tany amin’ny hain-tany mahatsiravina sy loza voajanahary samihafa am-bolana maro izay no efa fantatra fa hitotongana ny famokarana, saingy toa fady tamin’ny HVM ny handray andraikitra fa aty afara efa manomboka mitroatra ny olona vao mamono afo sy milaza fa efa mitady vahaolana. Hiaraha-mitazana eo indray aloha na mba hisy fiantraikany mivantana amin’ny vahoaka indray ny fampanantenana natao na ho poakaty toy ny mahazatra.

 

Raikitra ny ady mangatsiaka

 

Ambinambin-javatra ihany ny famahana ny olam-bahoaka, fa ny kajy handresena amin’ny fifidianana izao no mahamaika, ka na ny samy HVM aza efa tsy mifampatoky sy mifampiandry an-kendritohana. Toa efa mifanipaka toy ny valala an-karona, ary samy miezaka miaro ny rambony tsy ho tapaka. Re fa misy ady mangatsiaka eo amin’ny praiminisitra Mahafaly Olivier sy ny filohan’ny antenimierandoholona Rivo Rakotovao. Malaza fa hoesorina amin’ity volana desambra ity ny praiminisitra, saingy manangam-bovona sy mitady fiarovan-tena mafy, toy ny nampakarana ho avo roa heny ny tambin-karaman’ny mpiasan’ny primatiora mba hijoroan’izy ireo hiaro azy. Miezaka mampiseho ny eo anivon’ny primatiora fa matanjaka sy mahery ary tsy matahotra na iza na iza. Mitana ny sain’ny maro, ohatra, ny fijoroan’i Paolo Emilio Raholinarivo mpanolotsain’ny praiminisitra milaza ny hamongotra ireo jiolahy sy mpanao afera mialokaloka ao anatin’ny fitondrana. Toa tsy mbola nandrenesam-peo firy kosa izy manoloana ny vaovao isan-tsokajiny efa nandeha fa tsy afa-miala amin’ny raharaha kolikoly goavana mikasika an’i Claudine Razaimamonjy ny praiminisitra sady minisitry ny Atitany. Lojika ny fiarovany ny lehibeny ao amin’ny primatiora, saingy mandady ihany koa ny trambo ho an’ny praiminisitra, izay harovany fatratra. Miezaka manadio ny ao anatiny mantsy ny HVM, izay i Rivo Rakotovao hatrany aloha ny mpandrindra nasionaliny, ka re fa anisan’ny kendrena hadaraboka hiala amin’ny toerany i Solonandrasana Mahafaly. Mitady hirika hanadiovan-tena amin’ny tsy fahombiazana amina tompon’andraikitra ambony vitsivitsy, izay hatao sorona ny HVM. Efa miedinedina eraky ny tanàna ho mafy sy henjana ary mbola tompon’ny teny farany amin’ny fanapahan-kevitra eto amin’ny firenena kosa i Rivo Rakotovao, ka maro no tsy faly aminy ary misy ny mihorohoro hiala amin’ny sezany. Raha ny tsapan-kevitra tsotsotra natao anefa dia tena nandiso fanantenana ny mpifidy i Hery Rajaonarimampianina sy ny ekipany ka tsy hahazo ny vaton’ny olona azony tamin’ny 2013 intsony amin’ny 2018, raha tsy hoe hampiasa paikady hafahafa angamba.


 

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT