Politique

Hajo sy Rajoelina Vaky tanteraka ny ady


  • Alarobia 08 Mey 2013

Mety ho nofinofy sisa izany fiarahan’ireo mpiara-mitolona tamin’ny 2009 izany.

 Tena samy mandeha samy mitady tanteraka ry Hajo Andrianainarivelo ankilany sy Andry Rajoelina andaniny. Izy mirahalahy izay samy kandida filoham-pirenena. I Andry Rajoelina mihitsy no namaky ady voalohany raha nilaza izy tamin’ny fiverenany avy any Roma Italia fa fitiavan-tseza no mampisaratsaraka ireo mpiray tarika aminy ka samy mirotsaka hofidiana ny fito mirahalahy. Antony heverina fa nanosika ny filohan’ny FAT hisisika handray anjara amin’io fifaninanana “masina” io ny fitambaran’ny rehetra indray hanohana azy. Diso tara loatra anefa izany satria efa samy nanomana ny lalana ny tsirairay.

Ny alahady teo dia namoaka fanambarana ny kandida Hajo Andrianarivelo fa tongotra mby andakana ny azy izany hoe mitazona ny firotsahany izy na inona na inona fanapahan-kevitry ny filohan’ny FAT. Omaly dia namoaka fanambarana izay mamely mafy an-dRajoelina koa ny komity mpanohana an’i Hajo Andrianainarivelo any andafy. Nolazainy mantsy fa fitiavantena tsy mendriky ny atao hoe mpitondra “Homme d’état” ny fihetsika nasehon’i Andry Rajoelina tamin’ity fifidianana ity. “Tsiahivina fa nanao fanambarana ofisialy teo anatrehan’ny vahoaka Malagasy sy ny vondrona iraisam-pirenena milaza ny tsy firotsahany i Andry Rajoelina”, hoy ny sombiny amin’ilay fanambarana.

Yves 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT