Kandida filoham-pirenena telo lahy no nisantatra ny fametrahana ny antontan-taratasy filatsahan-kofidiana teny anivon’ny CES Ambohidahy omaly maraina. Nisantatra azy i Hajo Andrianainarivelo.
Midika fahavonona hitondra firenena izao “ho fanohizana hatramin’ny farany ny fandraisana andraikitra amin’ny fametrahana ny fanovana notakian’ny vahoaka”, hoy izy raha nanontaniana. Miha miseho vahoaka tsikelikely koa ireo mpanohana ny FAT miaraka aminy satria ankoatra an’i Jean Claude Rakotonirina sy Serge Ranaivo izay samy efa minisitra teo aloha nandritra ny Tetezamita dia nanotrona azy teny Ambohidahy koa i Athanase Tongavelo, Minisitry ny fampianarana ambony teo aloha. Tsy nampoizina koa ny nahitana an’i Saina Michel, lehiben’ny Faritra Analanjirofo am-perinasa ao anatin’ny ekipa mpanohana an’i Hajo Andrianainarivelo. Efa nanambara ny fanohanany ity farany ampahahibemaso koa i Mananjara Andriambololona lehiben’ny Faritra Analamanga nandritra ny lanonana iray, tapabolana lasa izay, saingy hita ho miafinafina indray ny tenany amin’izao ary tsy anisan’ireo delegasiona teny amin’ny biraon’ny CES izy omaly. I Lahiniriko Jean no kandida faharoa tonga teny Ambohidahy.
Nanotrona azy ry Pierre Tsiranana (PFDM), Ranjivason Jean Théodore (Matsilo), Razafimahefa Herimanana (Fanarenana). I Roland Ratsiraka no kandida fahatelo namarana ny fanaterana ny dosieny amin’ny CES ny andro voalohany omaly. Nanao rodobe nanotrona azy ireo mpikambana MTS nahitana ny minisitry ny fitaterana Ramanantsoa Benjamina, ny CT Maso Joé. Manana hatramin’ny 28 aprily izao moa ireo mikasa hitondra ny Repoblika faha-4 hanaterana ny dosieny ao amin’ny CES. Nilaza Rajaonarivony Jean Michel, filohan’ity fitsarana manokana ity fa 5 andro mialoha ny hikatonan’io fe-potoana farany io, izany hoe ny 23 aprily no hamoaka ny lisitr’ireo kandida nahafeno ny fepetra ka afaka mifaninana ry zareo. Manana andro vitsivitsy hamenoany ny dosie banga na koa misy fahadisoana ireo kandida tsy ao anatin’ilay listra, hoy izy. Marihina fa masimandidy amin’ny fanapahan-keviny ity fitsarana ity ka tsy misy fampiakarana azo atao intsony amin’izay didy avoakany. Izany hoe tsy afaka manao na inona na inona intsony ny kandida raha sanatria ka lavina ny filatsahan-kofidiany rehefa mivoaka ny didy.
Yves
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.