Raha nivory tany Ambositra ireo lehiben’ny Faritra 16 mirahalahy tamin’ny alakamisy 18 aprily teo dia namoaka fanambarana manohitra ny fampihorohoroana mahazo azy ireo sy ny Ben’ny tanŕna.
Tsy voalaza tao anatin’ilay fanambarana anefa izay fahefana manao io tsindrihazolena io. Na dia tsy nitonona anarana aza ny praiminisitra lefitra sady kandida filoham-pirenena Andrianainarivelo Hajo dia mazava ny votoatim-panazavany izay manondro fa avy amin’ny mpitondra ambony ilay izy. “Misy lehiben’ny Faritra tokoa tratran’ny ramatahora. Ireo Ben’ny tanàna indray izay tsy manaiky ny baikon’ny mpitondra dia andefasana mpanaramasom-panjakana na inspection d’état”, araka ny fanazavany. Saika ireo mpiaradia amin’ity kandida ity moa no voalaza fa iharan’io toe-javatra io. Nanazava koa izy fa vola avy amin’ny fianakaviany sy latsakembok’ireo antoko politika mpanohana ahitana ny AVI, Leader Fanilo, RPSD, GLM, Liaraike … no ampiasainy amin’izao firotsahany izao fa tsy misy avy amin’ireo olona akaiky an’Ambohitsorohitra toa an’i Mamy Ravatomanga sy Mamy Ratovomalala. Araka ny lalàna dia hametra-pialana ao amin’ny governemanta ny tenany raha vao migadona ny fe-potoana tokony hanaovany izany.
Tonga koa
Tapaky ny mpizaika avy amin’ny antoko RPSD tao Ambositra omaly fa hanohana an’i Hajo Andrianainarivelo koa ry zareo amin’ny 24 jolay. Nifaninana taminy i Camille Vital, Edgard Razafindravahy fa ny praiminisitra lefitra misahana ny fampandrosoana no naharesy lahatra ny RPSD noho ny fitoviam-pijery momba ny vinam-piarahamonina, araka ny fanazavana. Ankoatra izay dia nahatezitra ity antokon’i Marson Evariste ity koa ny fanendren’ny TGV ny kandidany izay tsy nifampierana tamin’ny UDR-C. “Malalaka ireo antoko eo anivon’ny UDR-C manolotra na manohana izay kandida tiany, ka izay no nahatonga ny RPSD nanohana ny kandida mitovy fijery aminy”, hoy i Marson Evariste
Yves
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.