Politique

Hajo Andrianainarivelo Tsy hanohana an-dRajoelina


  • Alatsinainy 06 Mey 2013

Fanapahan-kevitra efa masaka ny an’i Hajo Andrianainarivelo momba filatsahany ka tsy hiova hevitra intsony izy manoloana ny firotsahan-dRajoelina tampoka.

 Nambarany fa tsy hiovaova araka ny fitsiokan’ny rivotra politika ny tenany, fa tena finiavana tao anaty ny hanavotra ny firenena. “Hahasoa ny vahoaka ka tsy hanaiky ny hanaovana kilalao ny vahoaka sy ny andrim-panjakana no tanjona”, hoy izy. Manamarika ny tenany fa ny andrim-panjakana rehetra dia tokony haneho ny maha tan-dalàna ny firenena, ary tokony ho voalohany amin’ny

fanarahan-dalàna, ka hanatanteraka ny asany amin’ny fahamarinana sy amin’ny fanajana ny rariny sy ny hitsiny. Miantso ny vahoaka Malagasy rehetra koa izy hahay hisafidy izay heveriny fa olona tena mendrika hitondra ny firenena sy hamoaka an’i Madagasikara ao anatin’izao fahasahiranana tsy roa aman-tany manjo azy izao. Tany am-pitokanana zava-bita tany amin’ny Kaominina Imito, Faritra Amoron’i Mania i Hajo Andrianainarivelo no nandre fa kandida i Andry Rajoelina.


Yves

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT