Atahoran’ny sasantsasany amin’ireo mpanohana ny filohan’ny tetezamita mafy ny firotsahan’ny Praiminisitra lefitra Hajo Andrianainarivelo amin’ny fifidianana filoham-pirenena, ka miseho lany ankehitriny ny fanenjehana azy amin’izay ataony rehetra.
Heverina fa izy mihitsy no tiana kendrena amin’ilay fandrarana fitokanana zava-bita tanterahany amin’izao araka ny fanapahan-kevitry ny governemanta. Raha ny loharanom-baovao azo antoka dia ireo tandapa ihany no manely ny feo hita an-gazety sy amin’ny haino aman-jery milaza fa misora-tena ho kandidàn’ny filohan’ny FAT ity Praiminisitra lefitra ity. Misy milaza fa fampielezan-kevitra mialoha ny fotoana ireny ataony amin’ny alalan’ny fitsidiham-paritra sy fitokanana zava-bita ireny ary izy irery ihany no tena lasibatra.
Misy tena mazoto amin’io resaka io koa anefa ireo minisitra akaiky ny FAT, misongadina indrindra amin’izany i Rolly Mercia izay lany tsianjery eo amin’ny TVM ny sariny mitokana trano sy manolotra fitaovana toy ny “émetteur” etsy sy eroa. “Rehefa mamaly ny fanasan’ireo Ben’ny tanàna na lehiben’ny Faritra mitokana ny zava-bita tamin’ireo asam-pampandrosoana novatsian’ny departemantany vola ve dia lazaina indray fa misalovana ny asan’ireo minisitra sasany ao amin’ny governemantan’ny firaisam-pirenena izy ?”, hoy fanontaniana napetrak’ity loharanom-baovao ity.
Yves
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.