Raha nanao totoafo ny fitakiana ny fametraham-pialan’ny praiminisitra Ravelonarivo Jean amin’ny toerany, dia mivoatra ny raharaha ankehitriny. Misy andiana mpanao politika indray izao manosika ny hirosoana amin’ny fifidianana filoham-pirenena alohan’ny fotoana, ato anatin’ny fotoana fohy.
Tolo-kevitray amin’ny filoha io, hamahana izao tranga miseho eto amin’ny firenena izao ho tombontsoan’ny firenena, hoy ny filoha mpanorina ny Malagasy Miara Miainga, Hajo Andrianainarivelo nandritra ny fanokafana ny fivoriambe voalohan’ny Vehivavy Malagasy Miara-Miainga. Nampiany fa tompon’andraikitra amin’izay zava-miseho eo ny mpitondra ankehitriny raha mikiry manohy ny lalany. Tsy kisendrasendra ny nanaovan’i Hajo Andrianainarivelo an’io fanambarana io, fa mifanojo indrindra amin’ny faha-7 taona nanamasinana teo amin’ny Kianjaben’i Mahamasina ny fanonganam-panjakana tamin’ny 2009. Ny 21 martsa 2009 tokoa mantsy no nandraisan’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana ny fianianan’ny filohan’ny Fahefana avon’ny tetezamita tamin’izany, Andry Rajoelina, tranga izay tsy mbola fahita. Ekipa iray ary anisan’ny tanana an-kavanan’ny filohan’ny FAT tamin’izany i Hajo Andrianainarivelo, koa raha manosika an’i Hery Rajaonarimampianina hanao fifidianana filoham-pirenena alohan’ny fotoana faran’izay haingana izy, dia manimanina ny tongolon’i Ejipta, te hamerina ny tetezamita, saingy « tetezamita ara-dalàna » no ho endriny amin’izay fa vokatry ny fakana fahefana tamin-kery toy ny nitranga tamin’ny 2009.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.